Mba tsy hisian’ny ady an-trano sy fanilikiliana sy ho fitandroana ny fihavanana no nampangina ny Tiako I Madagasikara (TIM) manerana ny Nosy, hoy Atoa Bernard Joseph filohan’ny fikambanan’ny sefom-pontany Antananarivo Renivohitra teo aloha na FIFAR 192.
Hitsangana isika noho ny raharaha mavaivay eto amin’ny tanàna ankehitriny, hoy izy, tsy hijery fotsiny an’ireo namana rehetra mihetsiketsika ankehitriny fa vonona hifanome tanana nefa tsy maintsy mifampiera kosa amin’izany. Dia nanentana ny rehetra ho avy etsy Behoririka kianjan’ny Finoana ny lehilahy anio alarobia fa zava-dehibe mahakasika izay fihetsehana izay no hambara eny. Efa miantraika any anaty vilanin’ny vahoaka ny krizy lavareny ankehitriny, hoy kosa Atoa Ramanantsoa mpiara-mitantana ny TIM Antananarivo-Renivohitra ankehitriny, ka raha tsy ny tondrozotra no hampiharina ara-bakiteny tsy hivaha ny olana misy eto amintsika. Efa manao ny asany ny SADC amin’izany ka ho hitantsika tsy ho ela ny valiny.
Hihetsika kosa ny TIM Antananarivo Renivohitra, hoy izy, ka hanamaivana ny fahasahiranana ara-tsosialy eny anivon’ny Fokontany. Hisy, araka izany, ny didimpoitra faobe hatao, ny fanolorana fanampiana an’ireo mpianatra hanala CEPE. Efa tena noana tsy ampy sakafo ny vahoaka ka manentana antsika hiray hina fa raha mbola harirarira ny fampiharana ilay tondrozotra dia hisy fepetra horaisin’ny TIM. Tsy miova amin’ny tanjona tian-kotratrariny ny TIM Antananarivo Renivohitra, hoy Atoa Ramanantsoa, dia ny fitakiana hatrany ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy ny firotsahany hofidiana ho filoham-pirenena ka hiverenany eo amin’ny fitondrana indray. Marihina fa vao avy nanova ny rafi-pitantanana ao aminy ity TIM Antananarivo Renivohitra ity ka lasa Troika na fiaraha-mitantan’olon-telo ny fitarihana azy, ahitana an-dRtoa Clarisse Rasendramiadana sy Atoa isany Bernard Joseph sy Ramanantsoa.
Hitarina tsy ho ela eny anivon’ny fokontany ny fanavaozana mba ahazoana miatrika ny asa sosialy hotanterahina eny anivon’ny fiarahamonina hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Tao anatin’ny fanambarana novakian-dry zareo ho an’ny mpanao gazety omaly tetsy Behoririka moa no nanipihan’ity TIM Antananarivo Renivohitra ity an’ireo fotokevi-dehibe voalaza teo ireo ary nanamafisan-dry zareo koa ny fitakiany fa eto Antananarivo Renivohitra no hatao ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina satria samy teratany malagasy izy ireo ary teto koa no nipoiran’ny olana ka nahatonga izao krizy lavareny izao. Takian-dry zareo koa ny hilatsahan’izy roalahy amin’ny fifidianana ho avy fa izy ireo no fototry ny olana ka afaka manolotra fanalahidy ny amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.