Sambany no nisy hetsika nanehoana ny firaisankina amin’ny fijoroan’ny fisian’ny mpikatroka Tiako i Madagasikara (TIM) tao Ambositra ny alarobia 23 novambra lasa teo.
Tonga tany Ambositra ary nihaona tamin’ireo mpikambana ao amin’ny antoko TIM tao Amoron’i Mania ireo mpitari-tolona ao amin’ny ankolafy manohana ny Filoha Ravalomanana. Nitarika izany ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato, sady Filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto Madagasikara, Guy Maxime Ralaiseheno niaraka tamin’ny Depioten’Ambositra teo aloha, Rakotonirina Lova sy depioten’i Fandriana teo aloha, Andriambelosoa Barijaona ary ireo solontenan’ny gadra politika. Tonga maro tao amin’ny Espace Vert Mania ireo mpikatroka rehetra ao Amoron’i Mania nahitana Ben’ny tanàna maromaro, mpiasam-panjakana, olon-tsotra ary tantsaha. Navoitran’i Guy Maxime tamin’io fotoana io ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena sy mikasika ny antoko. Nisy ihany koa ny fidiran’Atoa Mamy Rakotoarivelo tamin’ny antso an-tariby avy aty Antananarivo nampahery ireo mpikatroka TIM ao Ambositra tsy ho kivy manoloana ny tolona atao satria tsy vita ny tolona raha tsy tonga eto Madagasikara sy mandray fahefana ny Filoha Marc Ravalomanana.
Niray feo ny tao Amoron’i Mania nilaza hoe : «teneno, rahoviana ny daty hodian’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana fa ho avy agnay aty Amoron’i Mania hitsena azy !». Nambaran’ireo mpitarika ny antoko TIM ao Amoron’i Mania fa nisy tamin’izy ireo no efa nivadika, manoloana izany dia nampitandrina azy ireny tsy hisandoka ho TIM manohana ny Filoha Ravalomanana intsony satria efa mifankafantatra ny mpikatroka rehetra. Hitety ireo Distrika efatra misy ao Amoron’i Mania ireo Komity mpanohana ny Filoha Ravalomanana any an-toerana ireto atsy ho atsy. Nizotra tam-pilaminana avokoa ny lanonana nihaonana sy nifampitam-baovao tamin’ireo mpikatroka TIM tao amin’ny Distrikan’Ambositra ireo.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.