Nampiantso an’ireo mpitantana ny FokoTIM Ambohimanarina ny DISTIM ny sabotsy 18 novambra teo ho fiomanana sahady ny fifidianana. Mahakasika ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana araka ny toromarika nomen'ny filohan'ny TIM, Marc Ravalomanana no antony.
Toromarika ny hanarahan’izy ireo maso ny lisitry ny mpifidy miainga amin’ireo mpikambana Foko TIM. Izy ireo indray kosa no hanentana ny vahoaka handeha hanara-maso sy hitondra an-tanana azy ireo hijery ny lisitry ny mpifidy sao ho very zo eo amin’ny fifidianana amin’ny taona 2018. Nampirisihina ihany koa ireo tanora TIM ao Ambohimanarina handray andraikitra. Nandritra an’ity famoriana mpikatroka TIM ao amin’ny fokontany 31 teny Ambohimanarina ity no nizaran’ny Depiote Horace ny karatra maha TIM niisa 230 ho an’ireo mpikambana ao amin’ny biraon’ny Foko TIM tamin’ireo fokontany ireo ka izy no niantoka tanteraka ny nanotana izany. Fotoana ihany koa nanangonana ny lisitry ny mpikambana TIM eny ifotony sy nampitana azy ireo ny fametrahana izay solontena CLER ity fihaonana ity. Tanjona : i DADA no filoha amin’ny 2018.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.