Politique

TIM Alasora Ho avy mavitrika ao amin’ny Magro Behoririka


  • Zoma 17 Aogositra 2012

Ao anatin’ny hetsika lehibe hataon’ny ankolafy Ravalomanana etsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka rahampitso sabotsy hanehoana amin’ny any ivelany, indrindra ny SADC, fa mila ny filoha Marc Ravalomanana ny vahoaka malagasy noho ny zava-bitany maro nanerana an’i Madagasikara.

 Anisan’ny ho avy mavitrika eto amin’ity kianja ity izahay TIM Alasora tarihan’ny tenanay izay ao anatin’ny fivondronan’ny TIM manodidina, hoy Rtoa Rahelisoa Alphine, amin’io andro sabotsy 18 aogositra io. Dia hamafisiko, hoy ity mpitari-tolona ifotony ity, fa haseho amin’izao tontolo izao ao amin’ny kianjan’ny Finoana fa miray hina ny Malagasy ary tsy manaiky raha tsy mody eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana. Manainga ireo mpiara-mitolona rehetra ho avy hameno ity kianja ity fa tonga ny fotoana hampisehoana ny herintsika fa efa akaiky ny fandresena. Tsy mbola niova ary tsy miova sy tsy hiova ny filamatra efa nentina teto nandritra ny telo taona mahery, hoy ity mpitarika ny TIM Alasora ity, dia ny fitakiana ny fiverenan’i Dada tsy misy fepetra sy ny firotsahany hofidiana ho filoham-pirenena indray ary ny fahalaniany “1er tour de vita”. “Tsy miala eto amin’ity kianja ity izahay raha tsy tonga eto ny filoha Marc Ravalomanana”, hoy hatrany Rtoa Rahelisoa Alphine.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT