Nirefodrefotra ny basy ny faran’ny herinandro teo tao amin'ny Tiko Vohidiala.
Nisy jiolahy tafiditra tao amin'ny faritry ny orinasa. Tsy fantatra mazava izay tian'ireo olon-dratsy hahatongavana na haka ilay omby vositra an'ny Tiko Fc izay tehirizina ao na ahoana. Soa fa vetivety dia tonga ny mpitandro ny filaminana avy amin'ny zandary ao vohidiala ka ireo no nifanehitra tamin'ireto olon-dratsy. Naharitra minitra maromaro ny fifampitifirana ka rehefa tsy nahatohitra ny mpitandro ny filaminana ireo olon-dratsy dia vaky nandositra. Manohy ny fikarohana ankehitriny ny zandary avy ao Vohidiala. Nisaotra ireo mpitandro filaminana izay nanome tanana tamin'ny fiarovana ny orinasa ny tompon’andraikitry ny tiko any an-toerana.Ny manaitra amin’ity raharaha ity dia nilamina ny tany an-toerana hatramin’izay, fa ankehitriny taorian’ny nanambaran’i Marc Ravalomanana fa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ny tenany dia misy izao fanafihan-jiolahy mitam-piadiana izao.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.