Mitohy ny fanaovana antsojay ny fananan’ny vondrona Tiko.
Nanomboka omaly mantsy ny fandrefesan-tany eny Andohatapenaka manodidina ny kianjan’i Makis hanorenana toby fiantsonan’ny taksiborosy vaovao miaraka amin’ny toerana famatsian-tsolika «Total», araka ny nambaran’ny minisi-panjakana Rakotovao Rivo. Tonga teny an-toerana anefa ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc nitondra ireo taratasy manaporofo ny maha an’ny Tiko Agri ny tany bodoin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany izao indray. Vonona hatrany anefa i Dada ny hifanazava sy hifampiresaka raha ilaina izany.
Teny ierana
Tsy mba nisy teny ierana fa fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany samirery avokoa na ny fanalàna ny toby fiantsonan’ny taksiborosy eny amin’ny Fasan’ny Karana na ny famindrana azy eny amin’ny tany malalaka manodidina ny kianja eny Andohatapenaka. Tsy mazoto hifindra eny amin’ity toerana vaovao ity mantsy ireo kaoperativa sy mpanjifa, araka ny dinika nifanaovan’izy ireo tamin’ny filoha teo aloha. Tsy nandroso na naka ny hevitr’ireo olom-boafidy teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa ny minisi-panjakana Rakotovao Rivo. Natao hanome ohatra tsara sy fakan-tahaka ny olom-panjakana ambony fa tsy manita-pahefana mambotry vahoaka sy manitsakitsaka ny tany tan-dalàna eto amin’ny firenena, hoy i Dada. Mialoha izao moa dia efa nalain’ny fanjakana mba hanorenana fotodrafitrasa handraisana ny fihaonana tampon’ny Frankôfônia ihany koa ny tany malalaka eny Andohatapenaka saika hananganan’ny Tiko labatoara. Ankoatra izay dia tsy eken’ny fitondram-panjakana HVM mihitsy hatreto aloha ny hisokafan’ny haino aman-jery MBS ary mbola ady tsy mety vita ny fisokafan’ny ozinin’ny Tiko hahazo hiasa malalaka hamokatra sy hivarotra entana tahaka ny fromazy sy yaourt ary laglasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.