Mbola hitohy anio zoma eny amin’ny Magro Ankorondrano ny fakana ny CV ho an’ireo maniry ny hiditra hiasa ao amin’ny Tiko satria misimisy ihany ireo tsy voaray omaly hariva.
Fantatra, araka ny angom-baovao natao omaly alina, fa nahatratra 4 000 ireo CV voaray omaly teny Ankorondrano. Tamin’ny 7 ora maraina dia efa nisy ny olona nilahatra tety ivelan’ny Magro Ankorondrano , fa tamin’ny 9 ora maraina kosa vao tena nanomboka ny fandraisana azy ireo miaraka amin’ny antontan-taratasy nentin’ny tsirairay avy.
Azo itokisana
Tena fitsirihana ireo olona rehetra mahafeno ny fepetra ary vonona hiasa ho an’ny Tiko Group ity natomboka omaly tamin’ny alalan’ny fananoganana CV ity, raha araka ny fanazavana azo avy amina tompon’andraikitra iray. Mila mampiditra mpiasa ity orinasa goavana ity mba hahafahany miodina sy miasa tsara ka anisan’ny voakasika amin’io fampidirana mpiasa io ny Tiko, Tia, Alma, Mbs, Magro izay samy ao anatin’ny vondron’orinasa TIKO avokoa. Tamin’ny ankapobeny, araka ny hita teny an-toerana dia tanora 18 ka haramin’ny 40 taona ny 90%-n’ireo nilahatra sy nanatitra CV hitadiavan’asa teny amin’ny Magro Ankorondrano omaly, fa misy ihany koa ireo azo ambara fa efa lehibe, izany hoe mihoatra ny 40 taona. Tsy an’asa na manao asa an-tselika ny ankamaroan’izy ireo satria very asa noho ny krizy fa eo ihany koa anefa ireo izay vao nahavita fianarana ka hiditra amin’ny tontolon’ny asa.Tsy ampihambamhambana no ilazana fa montsan’ny Tiko izany aloha ny zava-bita tsara indrindra eto Madagasikara amin’ny fandraisana antontan-taratasy fitadiavan’asa satria tsy fahita izany olona 4000 mitady asa ao anatin’ny iray andro ao amina orinasa iray izany, ary mbola maro be aza no tsy voaray fa hotohizana anio. Porofo izao fa atokisan’ny Malagasy ny Tiko sy ny filoha mpanorina azy dia i Marc Ravalomanana, izay efa nanaporofo fa mahavita zavatra tsara ny Malagasy ary mahazaka tsara ny fifaninanna iraisam-pirenena.Ho hita eo ihany moa ny mety ho fihetsiky ny fitondram-panjakana manoloana izao fibosesehan’ny olona te hiasa ao amin’ny Tiko izao, ny fanjakana izay tsy maintsy miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina raha te hampiroborobo ny toekarena sy ny tontolon’ny asa.Inoana fa tsy kisendrasendra fa misy antony manokana mifono paikadin-tserasera efa voadinika lalina ny fifandrifian’ny fandraisan’ny Tiko CV teny Ankorondrano sy ny fanombohan’ny FIM (Foire International de Madagascar) teny Tanjombato.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.