Politique

TIAKO I MADAGASIKARA Nanao asa fanadiovana tao amin’ny Boriborintany faha-efatra


  • Talata 26 Janoary 2016

Nanao asa fanadiovana tao amin’ny Borib orintany faha-efatra ny antoko Tiako i Madagasikara ny faran’ny herinandro teo. Ireo voamiera mpikambana ao amin’ny Fokontany Tsimialonjafy no nitarika izany ka anisan’ny asa laharam-pahamehana

 


 notanterahin’izy ireo ny fanadiovana  ny tatatra sy ny lalan-kely, nosokirana ihany koa ny fako nanentsina ilay tohatohabato eo amin’ny soldat… Tonga nanotrona izany , ny Delegen'ny  Boriborintany faha-efatra Atndriamaroa Ratsisetraiana David Aimé izay nanambara fa miasa miaraka amin’ny rehetra no tena hahazoana ny fahombiazana. Ankoatra izay dia nodiovina ihany koa ny  tatatra C3  izay mandalo eny Anosizato Est II sy Anosipatrana ary Ivolaniray  noho ny fisian’ny fako avy eny Anosipatrana manentsina azy ireo. Eo akaikin’ity tatatra ity mantsy no fitoeran’ilay daba-pako izay hitoeran’ny fako rehetra eny amin’ny manodidina.Fiaraben’ny Kaominina iray (niverina in-dimy) izay niantohan’ny Boriborintany faha-efatra gazoala  no  nanatanteraka ny asa niaraka tamin’ny fokonolona  avy  amin’ireo fokontany telo ireo. Na izany aza anefa dia tsy tonga nanampy ny kamio avy ao amin’ny Samva izay nahafantatra tsara ny hetsika. Marihina moa fa ny andro  ny sabotsy no fotoana voatokana hanatanterahan’ireo mponina eny Anosibe II ny asa  fanadiovana  ny tatatra C3 ka ny fokonolona eny an-toerna no manjray anjara mivantana amin’izany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT