Politique

Tiako i Madagasikara Miomana fatratra …


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Tao anatin’ny lanonana fifampiaharahabana nahatratra ny taona 2012 teny Androhibe ny sabotsy teo no nanambaran’ny filohan’ny vehivavy TIM Boriborintany faha-V, Rtoa Rasendramiadana Clarisse, fa iray ihany ny Tiako i Madagasikara.

 Tsy misaraka ihany koa, hoy izy, ny Ankolafy telo fa mivondrona hatrany. Hery lehibe ho an’ny vehivavy TIM, hoy Rtoa Clarisse, ny zava-niseho tamin'ny fanakanana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny vadiny tsy hiditra eto Madagasiklara. Mila miverina eto anefa izy ary izay rahateo no voalazan'ny tondrozotra. Manantena hatrany ny fisian'ny fanatanterahana izany izahay izay vonona lalandava hitarika ny olony hitsena azy ireo. Nanentana ireo mpikambana nisitrisitrika noho ny tahotra kosa ny mpikambana Raharihasina Asolo, ary nampahatsiahy fa ny tanjona katsahina dia tsy miova dia ny hahatafavoahana amin’izao krizy izao, ny hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenenana ary ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana sy mampadany azy amin’ny fifidianana ho avy. Nanotrona ity hetsika ity ny CT Razoharimihaja Solofonantenaina izay nanambara fa “mila fifankatiavana isika raha te hahatafita ny tolona ary ireo namadika aza raha miverina dia raisina an-tanan-droa”. Ny CST Hanitra Razafimanantsoa kosa dia nanamarika fa : “tsy maintsy tonga eto alohan'ny 29 febroary ny filoha Marc Ravalomanana”. Tsy nitovy tamin’ny an’ny CT kosa ny azy ny hafatra satria nambarany fa efa leom-boananana izahay ka tsy miara-miasa amin'ireo izay nivadika tanteraka intsony ry zareo, izany hoe ireo amboadia nitafy hodi-janak'ondry.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT