Politique

Tiako i Madagasikara Mazava ny resaka ankehitriny !


  • Talata 15 Jolay 2014

Tokana ny antoko Tiako i Madagasikara. Omaly alatsinainy, teny Bel’Air, dia nanamafy Razoarimihaja Solofonantenaina fa raha te hiverina anatin’ny TIM ireo mpitantana taloha efa samy nanangana antoko vaovao azy samirery dia tokony hampitsahatra ny fisian’izany antokony izany ary hanaiky ny sata mifehy ny antoko.....

Raha mora be ny fivoahana tao anatin’ny antoko dia tsy tokony ho sarotra tahaka izany koa ny fiverenana ao rehefa tsotra ny fo ary tsotra koa ny zavatra atao, hoy izy. Ny taratasy nalefan’ny antoko tany amin’ny minisiteran’ny Atitany tamin’ny 06 mey 2014 dia mitsipaka ny fisian’ny voalaza fa fifanarahana niaraka tamin’ireo mpikambana Tim nanjohy lalan-kafa koa mba tsy hiverenan’ny fahavoazana toy ny efa nanjo ny antoko TIM dia aleo mitambatra ny mpiray donak’afo teo aloha. Esorina ny vato misakana rehetra dia milamina ny toe-draharaha. hoy hatrany ny filoha nasionaly Razoarimihaja Solofonantenaina. Marihina fa nandefa taratasy firariantsoa sy fahombiazana ho an’ny birao mitantana ny antoko taorian’ny nahazoana ny fankatoavana avy amin’ny ministera ny filoha mpanorina ity antoko ity, Marc Ravalomanana, sady nanafatrafatra ihany koa ny tsy hanilihana sy hanavakavahana n’iza n’iza fa hijery ny hoavin’ny antoko ka hifandefitra sy hifampatoky ary hifanaja tanteraka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT