Politique

Tiako I Madagasikara Mandeha ny fanilo miampita


  • Zoma 13 Septambra 2019

Maro no tsy nanam-po omaly, fa Randriamasinoro Tahiry Ny Riana no kandida natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo,

 fa tsy ny filoha nasionalin’ny antoko sady filoham-pirenena teo aloha dia Atoa Marc Ravalomanana. Karazana kihon-dàlana lehibe iray ho ara-politika io ho an’i Marc Ravalomanana satria taratry ny fampitana fanilo eo amin’ny fanaovana politika. Goavana izany fifidianana ben’ny tanàna eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara izany, kanefa nanome fitokisana sy nampita fanilo amin’ny tanora heveriny fa afaka ny hitondra rivo-baovao sy hanohy ny ezaka vita i Marc Ravalomanana fa tsy naneho fitiavan-tena. Heverina fa tsy fanapahan-kevitra kisendrasendra io, fa tena maty paika hoenti-mitondra rivo-baovao. Raha ny mombamomba ny kandidan’ny TIM Randriamasinoro Tahiry Ny Riana fohifohy, dia tanora 36 taona izy, manambady  manan-janaka miisa roa. Manam-pahaizana manokana momba ny fikirakirana ara-bola, ka Tale ara-bola teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izy nialohan’ny nanendrena azy ho Sekretera Jeneralin’ny CUA vao roa volana teo ho eo izay, taorian’ny fialan’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.Mpianatra nivoaka teny amin’ny ENAM ihany koa izy.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT