Manao ranolava ireo fanambarana sy firariantsoa manodidina ny fahatongavan-dRtoa Lalao Ravalomanana an-tanindrazana.
Anisan’izany ny an’ny Tiako i Madagasikara ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Mahajanga I, tarihin’ny Depiote Randrianarivo Louis, izay nanamarika fa “zony ny miditra sy mitoetra eto satria teratany Malagasy izy”. Manipika mazava ny fanambarana fa “dingana iray izay no vita fa manantena ny fahatongavan’ny Filoha Marc Ravalomanana tsy ho ela”, ny Malagasy amin’ny ankapobeny, indrindra ny Tiako i Madagasikara antoko naoriny satria “tsy hisy fitoniana ary tsy hivaha ny krizy raha tsy tafaverina eto an-tanindrazana izy”. “Manohitra izay rehetra sakantsakana tsy hahatanteraka izay voalazan’ny tondrozotra izahay, indrindra ny andininy faha-20”, hoy hatrany ny fanambarana. Ankoatra izay dia “midera ny fitiavan-tanindrazan’ny Filoha Marc Ravalomanana mivady izay toetra tsara tokony harahan’ny vahoaka Malagasy rehetra” ny Tiako i Madagasikara Mahajanga I. “Handresy anie ny tolona tarihinareo mivady, ka ho Malagasy afaka ny vahoaka Malagasy. Afaka amin’ny fangejan’ny mpanohariana ary afaka amin’ny asan’ny maizina”, hoy ireto farany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.