Voatendry ho sekretera jeneralin’ny Antoko Tiako i Madagasikara Rtoa Olga Ramalason taorian’ny fametraham-pialan’Atoa Olivier Donnat Andriamahemfaparany ny 6 febroary lasa teo.
Ny zaikabem-pirenena nasionaly nataon’ny antoko ny 22-23 mey 2015 tao amin’ny Magro Ankorondrano no nanendry ity farany ho sekretera jeneraly tamin’izany. Noho ny hamehana taorian’iny fametraham-pialany iny no nanendren’ny filoha nasionaly sady mpanorina ny antoko TIM Marc Ravalomanana rehefa nifandinika tamin’ny Birao politikan’ity loholon’i Madagasikara ity handray io toerana io voinjimaika mandra-pahatonga ny zaikabem-pirenena izay atao isaky ny 5 taona, araka ny sata mifehy ny antoko. Mety amin’ity taona ity na amin’ny taona ho avy no hanaovana azy io. Miaina ny antoko ary atao izay mampandeha azy, raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana tamin’ny fanambarana ofisialy izao vaovao izao omaly teny amin’ny foiben-toeran’ny TIMK25. Ben’ny tanànan’Antsirabe teo aloha in-droa nisesy dia ny 2003-2011, minisitry ny varotra sy ny fanjifana teo aloha, loholon’i Madagasikara am-perinasa,… no nahafantarana azy. Manana mari-pahaizana samihafa toy ny “Diplôme de 3éme Cycle en Managament d’Entreprise tao amin’ny INSCAE, Diplôme d’Ingénieur Agronome, … » ny tenany. Kihon-dàlana vaovao sy fanamafisana ny herin’ny antoko izao. Nisaotra manokana an’i Marc Ravalomanana tamin'ny fitokisana napetraka aminy ity sekretera jeneraly vaovaon’ny TIM ity, ary nanome toky ny rehetra fa tsy handraraka ilo mby an-doha amin’ny adidy goavana iantsorohany. Manana andraikitra lehibe eo anivon’ny TIM satria tompon’andraikitra voalohany mpanatanteraka izay hampandrosoana ny antoko eo amin’ny lafiny rehetra mihitsy, hoy izy. Ny fifidianana depiote no ady lehibe voalohany miandry, ka tsy maintsy hiezaka ny antoko hampandany izay solombavambahoaka napetrany satria manana eo amin’ny 109 eo izahay, ka tsy maintsy hanao izay hampandresena an’ireo, hoy ity sekeretera jeneraly vaovaon’ny TIM ity. Ao anatin’ny fanajana ny lalàna tanteraka ny fampahafantarana ireo kandidan’ny TIM, ary ao anatin’ny fametrahana fifampitokisana amin’ny vahoaka fa tsy mba manaotao foana ny antoko, hoy izy. Manana ny paikadiny i Marc Ravalomanana, izay efa naneho fa tsy mbola afaka miteny firy izao satria tsy tapitra tanteraka ilay 100 andro. Rehefa tapitra dia tena hiteny aho, ary manomboka eo ihany koa ny fampielezan-kevitra ka ho avy aho, hoy ny fanehoan-keviny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.