Politique

Tiako I Madagasikara Ho lasa antoko mpanohitra amin’izay ?


  • Alatsinainy 29 Febroary 2016

Manakatom-baravarana tanteraka ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara eny anivon’ny Antenimierandoholona.

 

Hampanjaka irery ny hevitra tokana sy bontolo avy amin’ireo mpiara-dia sy mpanohana ny filohan’ny Repoblika mantsy ny fitsipika anatiny mametra ho loholona 5 vao afaka manangana vondrona parlemantera, hoy ny loholona Ramalason Olga. Manana olona ao anatin’ity andrimpanjakana faharoa eto Madagasikara ity anefa ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny vondron’antoko sy fikambanana Mapar. Tsy hitondra fitoniana politika eto amin’ny firenena anefa io fihetsika fanilihana avy amin’ny antokon’ny fitondrana ankehitriny io. Toa manosika ireo antoko hafa manana ny tanjany toy ny TIM handray ny toeran’ny mpanohitra ny tsy fisokafan’ny fiaraha-miasa izay hita hatrany teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza, araka ny fanamarihan’ity senatera TIM lany teto Antananarivo ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT