Manakatom-baravarana tanteraka ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara eny anivon’ny Antenimierandoholona.
Hampanjaka irery ny hevitra tokana sy bontolo avy amin’ireo mpiara-dia sy mpanohana ny filohan’ny Repoblika mantsy ny fitsipika anatiny mametra ho loholona 5 vao afaka manangana vondrona parlemantera, hoy ny loholona Ramalason Olga. Manana olona ao anatin’ity andrimpanjakana faharoa eto Madagasikara ity anefa ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny vondron’antoko sy fikambanana Mapar. Tsy hitondra fitoniana politika eto amin’ny firenena io fihetsika fanilihana avy amin’ny antokon’ny fitondrana ankehitriny io. Toa manosika ireo antoko hafa manana ny tanjany toy ny TIM handray ny toeran’ny mpanohitra ny tsy fisokafan’ny fiaraha-miasa izay hita hatrany teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza, araka ny fanamarihan’ity senatera TIM lany teto Antananarivo ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.