Nifarana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka ny fampiasana ny anarana ankolafy Ravalomanana.
Hajoro ny vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara ao amin’ny Antenimieram-pirenena ka ireo depiote 21 voafidy tamin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana sy ny Zanak’i Dada no handrafitra azy. Nisy ny fivoriana fanomanana izany teny an-tranon’ny Sekretera jeneralin’ny antoko, Atoa Mamy Rakotoarivelo eny Ankadifotsy omaly, fivoriana notarihiny sy ny filoha nasionalin’ny antoko, Razoarimihaja Solofonantenaina. Fivoriana izay fantatra fa hitohy anio, ary tohin’ny natao teny Faravohitra tamin’ny herinandro lasa, notarihin-dRazoarimihaja Solofonantenaina, Mamy Rakotoarivelo ary i Lalao Ravalomanana. Misy paikady ara-politika ihany koa anefa ao anatin’izao fiverenana an-doharano izao. Handray anjara amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna mantsy ny TIM ka ny fampiasana ny anaran’ity antoko ity no hananany herizika kokoa hahazoany toerana betsaka. Ankoatra ireo Kaominina nanendrena PDS rahateo dia saika mbola Ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny TIM no mitondra amin’izao. Milaza ny hanana kandida amin’ireo Kaominina miisa 1549 moa ry zareo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.