Adihevitra tsy mitombina daholo ny resaka manodidina ny antoko Tiako i Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2009 no ho mankaty. Efa mazava mantsy ankehitriny fa miainga amin’ny taratasy ara-dalàna hita eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany tamin’ny taona 2004 ny fijoron’ity antoko noforonin’ny filoha teo aloha
Marc Ravalomanana sy tarihin’ny filoha am-perinasa Razoarimihaja Solofonantenaina ity. Ainga vaovao izay hiatrehana ny fiainam-pirenena amin’ny alalan’ireo fifidianana isan’ambaratonga ka handraisan’ity antoko manana ny maha izy azy ity eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Tamin’ny tafa nataon’ny tompon’andraikitra mitantana ny antoko amin’izao fotoana izao rahateo no efa nanambarana fa hanatanteraka ny kongresy nasionaliny ireo mpikambana manerana ny Nosy. Mialoha izany dia hisy ireo kongresim-paritra ka hisantatra izany ny ao Boeny anio zoma 18 jolay 2014. Io izany ilay tonga amin’ny fiteny nahazatra ny mpikambana TIM ary fampiasan’ny filoha Marc Ravalomanana matetika hoe «tsy misy andraso andraso fa vitaina izay atao».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.