Hamboly hazo eny Imerinkasinina ny sabotsy 6 febroary ho avy izao ny antoko Tiako i Madagasikara izay hotarihan’ny filoha Atoa Marc Ravalomanana.
Fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iaiana no anton’ny hetsika sady fanamafisana orina hatrany ny fifandraisana eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny antoko. Fa taorian’ny fahanginany naharitraritra ihany dia andrasan’ny maro ihany koa izay mety ho fanehoan-kevitr’i Dadavalo momba ny raharaham-pirenena amin’io sabotsy io. Nihaona sy nidinika tamin’ny masoivoho Amerikanina ny tenany tamin’ity herinandro ity. Tsy tongatonga ho azy izany fa misy antony. Mitombo isan’andro ny fahasahiranan’ny Malagasy. Tsy mbola afaka misokatra hatramin’izao ny Tiko izay afaka mamorona asa an’arivony. Ny mpitantana ity orinasa ity dia efa nilaza fa vonona handoa ny trosany fa ataovy mazava tsara fotsiny ny kaonty. Ahoana marina amin’izao fotoana ny toeran’ny TIM ara-politika ? Manohana fitondrana ve sa mpanohitra sa hery eo afovoany ? Ahoana ny fifidianana amin’ny 2018 ? Izany rehetra izany no iandrasan’ny maro valiny avy amin’Atoa Marc Ravalomanana ka dia ho hita eo amin’ny sabotsy e !
RTTTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.