Politique

Tiako I Madagasikara Efa miomana ny amin’ny 2018


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2016

Nifamotoana tao amin’ny distrikan’Arivonimamo indray ny antoko Tiako I Madagasikara ny sabotsy 30 jolay 2016 teo.

 

 Fihaonambe faharoa notarihan’ny filoha nasionaly Ravalomanana Marc taorian’ny fifanatrehan-tava tamin’ireo mpikambana sy mpiara-dia ary mpanohana rehetra ny 2 jolay 2016 teny Ilafy Avaradrano. Voaporofo tamin’ny fahatongavan’ireo olona marobe tao an-toerana indray ny maha antoko goavana ny Tiako I Madagasikara niniana novonoina sy nopotehina hatramin’ny taona 2009. Mijoro sy matanjaka anefa ny antoko ary efa miomana tanteraka hiverina eo amin’ny fitondrana, araka ny hafatra sy toromarika nivoitra nandritra ny lahateny nifandimbiasana.

Fiainam-pirenena

Manana andraikitra mahalala ny zava-misy marina mianjady amin’ny vahoaka ny antoko politika. Anton’ny fidinana ifotony hijerena sy hihainoana ny hetahetan’izy ireo, hoy ny filoha nasionalin’ny TIM Ravalomanana Marc. Tsy mitsahatra maneho hevitra rahateo maneho ny fomba fijeriny ny fizotran’ny fiainam-pirenena ny antoko. Sahy mitsikera ny fitantanan-draharaham-pirenena tsy mety miaraka amin’ny sosokevitra ihany koa anefa, hoy hatrany ny lehiben’ny antoko. 

Vonona hanarina

Efa hita sy iainan’ny fiarahamonina Malagasy ny voka-dratsin’ny fanonganam-panjakana efa ho 10 taona latsaka kely izao. Tsy mpanongam-panjakana ny Tiako I Madagasikara fa manaja sy mandala hatrany izay safidim-bahoaka, hoy ny filoha mpanorina ny antoko Ravalomanana Marc. Fotoana fiatrehana ny fanarenana ny tsy nety rehetra izao ary efa mivonona amin’izany ny TIM, araka ny fanamarihan’i Dada. Tsy ho vitan’ny olon-drery na fikambanana tokana anefa ireo asa sy ezaka fampandrosoana ka ilaina ny fampivondronan-kery sy firaisankina ho fiatrehana ny ankehitriny sy ny ho avy ho fikatsahana ny tombontsoam-bahoaka, hoy ity ho kandida filoham-pirenena ity.


Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT