Efa fomban-javatra ny fisian’ny fivezivezen’ny lalàna momba ny tetibola na LFI eo amin’ny antenimieram-pirenena sy antenimierandoholona,
hoy ny loholon’i Madagasikara sady filohan’ny vondrona parlemantera HVM, Thierry Raveloson. Somary tara ny fahatongavan’io lalàna io teny amin’ny antenimierandoholona saingy voahaja ihany ny 15 andro ary latsaka aza no nandinihany azy. Nisy andininy maro tsy nazava ary nitakian’ny loholona fanitsiana na “amendement”. Misy voatery najanona ny fandinihana ny tetikasa sasany ary tsy marina ny fanakianana sasany fa sakana tamin’ny fandinihana iny lalana iny ara-potoana ny loholona, hoy hatrany ny fanazavany. Firy andro iny tany amin’ny antenimieram-pirenena dia adin’ny 3 fotsiny ve no handinihan’ny loholona azy ? Ara-potoana no namerenana ny LFI teny amin’ny antenimieram-pirenena fa naninona no nanaovana toetra tsy zaka sy natositosika ny sekretera jeneralinay izay vehivavy ? Raha misy ny fiavian’ny sanatria mety ho krizy ho eto amin’ny firenena dia tsy ho avy amin’ireo loholona velively, hoy hatrany ny fanehoan-keviny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.