Politique

Thierry Raveloson Tsy azo tsinontsinoavina ny Ankolafy 3


  • Alarobia 24 Aogositra 2011

Tsy azo atao tsinontsinona ka atao an-kilabao ireo mpanohitra mivondrona ao amin’ny Ankolafy 3, hoy Raveloson Thierry filohan’ny antoko MSDM (Mouvement pour la Démocratie Sociale à Madagascar) sady mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita.

 Mety hiteraka krizy hafa indray ny fanaovana fifidianana tsy iarahana amin’ireo Ankolafy 3, mpanohitra ireo, hoy izy, satria tsy hankatoa izay vokatra eo izy ireo. Ny hevitry ny Iraisam-pirenena anefa efa fantatra fa mitaky ny fanitarana an’ireo mpikambana eny anivon’ireo Parlemanta roa tonta izay mandrisika ny rehetra hifandinika sy hifampiady hevitra no dikany. Ilaintsika ny fankatoavana iraisam-pirenena ary tsy maintsy miverina amin’izany isika, hoy ity CT ity, na dia nodradraina tamin’ny haino aman-jery samihafa aza tany aloha tany fa tsy ilaina intsony izany mpamatsy vola mahazatra izany.

Ôksizena ho antsika ahazoana mamerina ny fifanarahana toy ny AGOA … izay nampikatona orinasa maro ary nahavery asa maro io fifanarahana iraisam-pirenena io. Mila vahaolana amin’izany koa ny fifandraisana ara-barotra samihafa ary fantantsika fa avy amin’izany fankatoavana iraisam-pirenena izany no hirotsahan’ny vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana satria matevitevina ihany ny ampaham-bola avy any ivelany amin’ny alalan’ireny fikambanana iraisam-pirenena samihafa ireny mandrafitra ny teti-bola hoentin’ny fanjakana foibe miasa.

 

Manohy

 

SARY : Raveloson Thierry (sary Rakotobe)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT