Politique

TGV Toamasina Vaky ny ady, nifanasa vangy imasom-bahoaka


  • Alatsinainy 30 Janoary 2012

Nivadika ady mafana mivantana ilay ady mangatsiaka teo aloha, ho an’ny mpitarika ny TGV (Tanora malaGasy Vonona) Toamasina.

 Raha natao hitambarana ny taom-baovao 2012, dia nampisaraka sy nampiady ary nifanasana vangy izany ho azy ireo ny zoma teo. Tao amin’ny trano fandihizana Rainbow ny TGV an’i Mahavimbina Alain izay mpandrindra ny TGV provinsialy sy Toto Félix mpitarika teo aloha ny TGV Toamasina I. Nisafidy ny trano fisakafoanana Le Bateau Ivre kosa ny TGV-n’ny sekretera nasionalin’ny faritan’i Toamasina, ny CST Naharimamy Irma Lucien sy ny sekretera nasionaly foibe CST Rakotomavo Lanto ary ireo mpitarika ny departemanta TGV eo anivon’ny Faritra Atsinanana.

Tsy nitsitsy fitenenana ingahy Toto Félix raha nilaza fa misy mitady hanapotika ny antoko ity. Novakiana ambatolampy koa anefa ny ady, ka nambarany fa “aiza ny lakile ? Izy ihany no namaly fa amin’i Toto Félix sy Mahavimbina Alain. “Tanalahy politika avokoa ireo miseho mahavita azy milaza ny mitarika antsika ireo, ka tsy azo ekena izany satria izahay izaho no nanangana ity antoko ity”. “Tsy avelako ho faty ity antokontsika ity, ary handray ny andraikitro aho”, hoy i Alain Mahavimbina nanamafy.

Tao amin’ny Le Bateau Ivre kosa, dia nilaza mazava ny CST Naharimamy Irma Lucien fa izy no mitarika sy misahana ny TGV ho an’i Toamasina, araka ny tapaky ny fivoriamben’ny antoko ny 14 febroary 2010. Izao izany vao nivadika ho ady mafana ilay ady mangatsiaka nandritra ny roa taona ho an’ny Tgv Toamasina. Tsapa nandritra ny lanonana rehetra koa fa mifampiandry kendritohina ny samy mpitarika ny Tgv sy mifamingana an-toerana. Midika ity zava-nisy ny zoma ity fa hisy fiovana goavana ny fitantanana an’i Toamasina atsy ho atsy. Niatrika ny zava-nisy sy nahita ny ady vaky ihany koa ny mpitarika nasionaly ny TGV Rakotomavo Lanto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT