Politique

TGV Analamanga Tsy hita tabilao intsony


  • Alarobia 29 Mey 2013

Tsy faly amin’ny filohan’ny Tetezamita noho ny toetrany mitranga mihemotra lava ihany koa ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko noforoniny.

 Saika misintaka aminy avokoa ireo mpitarika ny TGV Analamanga izay efa samy manana ny kandida tohanany. Manova ny paikady ara-politika efa nomanina tany ambadika mantsy ilay firotsahan’i Andry Rajoelina tampoka indray. Efa vita tsara ny resaka tamin-dry Rakotomavo Lanto sy ny vadiny Atoa Rakotomavo Serge, delegen’ny Boriboritany voalohany izay mpanohana an’i Edgard Razafindravahy nefa nokorontanin’ity resaka firotsahan’i zandry kely ity indray. Tsy mahagaga raha sosotra aminy koa ry Rakotondrabe Jean izay ao anaty ekipa mpanohana an’i Camille Vital nefa lasa diso paika tanteraka noho io fiovan-javatra io ihany. Toraka izany koa ny delegen’ny Boriborintany fahefatra, Antananarivo renivohitra, izay efa tsara toerana ao amin’i Hajo Andrianainarivelo. Samy tsy nisy hita tabilao avokoa ireo tompon’andraikitra ao amin’ny TGV ireo tamin’ireo hetsika nataon’ny filohan’ny Tetezamita faramparany rehetra. Samy tsy nisy nanotrona an’i Andry Rajoelina izy rehetra ireo mbamin-dry Rasoamaromaka tamin’ny fanasana azy tamin’ny dinika niaraka tamin’ny FFM sy CSC sy tamin’ilay vavaka fifadian-kanina ny sabotsy lasa teo. Antony mety mahatonga ity farany hifikitra amin’ny sezany ny fahatsapany fa miha manirery ny tenany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT