Raha misarovitaka mifamono ny samy Malagasy any atsimo noho ny asan-dahalo dia tsy ho lavitr’izay koa no hitranga eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny nisintonan’ny ministeran’ny filaminana anatiny ny Kaomisera Rabearisoa Alexandre hiverina eo anivon’ny fianakaviamben’ny polisy ka tsy Talen’ny kabinetran’ny Kaominina intsony nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity.
Nihazakazaka tokoa ny fandehan’ny fanapahan-kevitra ary efa niseho an-gazety ny raharaha vao samy taitra ka velom-panontaniana fa inona no mitranga ? Ny misintona ny saina mantsy dia mamita iraka, mitarika ny ekipan’ny CUA any Antsiranana mifanome tanana manao izay hahatontosa an-tsakany sy an-davany ny fanatanterahana ny Andron’ny tanora katolika na JMJ andiany faha-7, tanterahina any an-toerana nanomboka ny alarobia 05 septambra teo ary hitohy hatramin’ny 10 septambra, ny Kaomisera Rabearisoa Alexandre. Nilatsaka tampoka anefa ny fanapahan-kevitra avy eo anivon’ny polisim-pirenena misintona azy hiverina an-dakazerina tsy misy hatak’andro. Fanapahan-kevitra izay mitarika fanalana azy tsotra izao eo amin’ny toeran’ny Talen’ny kabinetran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra io. Mipetraka eto ny fanontaniana, maninona no tsy ny Kaominina amin’ny alalan’ny filohan’ny delegasiona manokana, PDS Razafindravaha Edgard izay nanendry ka nametraka azy amin’ny toeran’ny Talen’ny kabinetra no naka ny fanapahan-kevitra fa ny tany amin’ny ministeran’ny filaminana anatiny ?
Ao raha ! Rehefa natao ny fikaroham-baovao dia fantatra niainga avy amin’ny fisafoana nataon’ny ekipan’ny CUA ka nahitan’ireto farany kamio mitaona tany, atototra tanimbary eo Andranobevava Maray Masay ny raharaha. Nilaza mantsy ny teo anivon’ny CUA fa sady tsy namoaka fahazoan-dalana hanototra tany io toerana io, no tsy nanome fahazoan-dalana ilay kamiao ahafahany mivezivezy ihany koa. Tsy nahitana ireo fanomezan-dalana ireo ihany koa tany amin’ny mpamily ilay kamiao tamin’ny fotoana nisian’ny fisafoana teny an-toerana. Nidina teny an-toerana nijery ifotony izany ny Talen’ny kabinetra, kaomisera prinsipaly Rabearisoa Alexandre. Alahady 02 septambra ny andro tamin’io. Koa satria tsapany fa misy fandikan-dalàna, dia ny fampidirana “fourrière” ilay kamiao avy hatrany no fepetra voalohany noraisina, sady manokatra fanadihadiana mikasika io fanotofana tany io. Kolonely iray miasa ao an-dapa anefa no tonga mialoha teo Mahamasina, toerana tokony hampidirana “fourrière” ilay kamiao, ary nibahana tamin’ny fiara Toyota 4x4 ny vavahady lehibe fidirana niaraka tamin’ny teny tsy valiana samihafa. Teo dia azo an’eritreritra fa dia olona ambony no tompon’io tany totorana io, ka mampiasa ny fahefany.
Matoa kolonely miasa ao an-dapa no nahetsika, dia azo antoka fa tsy lavitra ao izany no voakasika. Nihazakazaka rahateo ny raharaha nanomboka teo. Na izany aza ny alatsinainy 03 septamba, dia mbola nanankinan’ny PDS iraka goavana, hitarika ny ekipan’ny CUA any Antsiranana ny Talen’ny kabinetrany. Midika io fa milamina tsy misy raorao eo anivon’ny mpitantana ny CUA. Loharanom-baovao hafa koa anefa no milaza fa nahafapo ny katolika ny fandaminana nataon’ny CUA sy ny filaminana nandritra ny fandalovan’ny sisan-taolambalon’i Don Bosco teto Antananarivo, ka dia mbola maniry ny fiaraha-miasa sy ny fanomezan-tanan’ny CUA ry zareo Katolika, tamin’ny alalan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène amin’ny JMJ any Antsiranana izao io. Fiarakodia niisa 135 mitondra ny solontenan’ny diosezy no niara-nitanjozotra nihazo an’Antsiranana io alatsinainy 03 septambra io. Nandritra izany no nisoko mangina avy any ilay fanapahan-kevitra avy eny anivon’ny foibem-pitondrana misahana ny mpiasa eo anivon’ny ministeran’ny filaminana anatiny manongotra ny kaomisera Rabearisoa Alexandre tsy hiasa eo anivon’ny CUA intsony fa hiverina any amin’ny polisy.
Samy manana izay mety handikana izao fanapahan-kevitra izao, fa ny fanontaniana dia hoe inona no ho fiantraikan’ilay fanapahan-kevitra eto an-tanàna ? Nanana anjara toerana lehibe amin’ny ezaka hametrahana filaminana sy fandaminana eto an-drenivohitra mantsy ity kaomisera ity. Mirotsaka an-tsehatra izy amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana, ny fandaminana sy fanadiovana tsena, toy izany koa amin’ireny fanorenana trano tsy ara-dalàna ireny. Na tamin’ireo hetsika politika mafanafana teto an-drenivohitra aza dia niezaka nifampiresaka ity manamboninahitra polisy ity. Misy ny ho faly fa tsy eo intsony ity kaomisera ity, ary dia ahiana ny gaboraraka sy savoritaka eto an-drenivohitra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.