Mitohy hetsika manakaikaiky kokoa ny vahoaka ataon’ny antoko Teza sampana Toamasina. Anatin’ny fanaovana famoran-jaza faobe izy ireo ankehitriny.
Nambaran’ny tompon’andraikitra ao fa natao indrindra koa izany mba tena ho mafy orina ny fahafantaran’ny olona an’i Neny ary hivaingana fa tena ankolafim-bahoaka sy vondron’ny tia tanindrazana marina ny Zanak’i Dada. Tsy nisalasala moa ity tompon’andraikitry ny Teza Toamasina ity nanambara fa “efa nitondrako takaitra ny fanohanako ny filoha Marc Ravalomanana izay mbola hanohanako tsy misy fepetra an-dRtoa Lalao Ravalomanana ankehitriny”. Mino ny Teza Toamasina, fa na eo aza ny kajy politika sy ny fikasana hanilika ambony latabatra an’i Neny, dia “izy no kandidanay”. Manana fandaharam-potoana maromaro ny antoko hanamafisana ny fanakaikezana ny vahoaka, dia ny fanaovana famoran-jaza ao amin’ny Kaominina miisa valo anatin’ny Distrikan’i Brickaville sy telo ao anatin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Hisy koa ny fampianarana dihy maimaim-poana ny tanora tia izany, ny fizarana zanaka akoho ho an’ireo vehivavy sahirana hiarahany amin’ny Sekretera jeneralin’ny antoko sady minisitry ny fiompiana, Rtoa Ihanta Andriamandrato, sns.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.