Politique

Tetikasan’ny filoham-pirenena Lasa famotehan’olona manokana


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Mbola vao tany amin’ny oktobra 2015, nalaina an-keriny ny abatoiran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary navadika ho toeram-piantsonana manara-penitr’ireo fiara mpitati-bahoaka. Raha tsiahivina anefa dia tanin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izay nomeny ho an’ny CUA ity toerana voalaza teo ity.

 

  Ho fiatrehana ny fandraisana ny fivoriamben’ireo tany miteny manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay (Francophonie) kosa no anisan’ny venti-kevitra nohiraina tamin’izany fotoana izany ka antony ilana maika fiantsonana manara-penitra. Tsy nijanona hatreo anefa ny antsojay fa nitohy ary mbola  mitohy amin’ny famefena ireo tanin’ny kaominina, toy ny etsy Mahamasina sy etsy Anosy ary Antanimena, izay tsy tena mazava hoe hanaovana inona marina ary inona no tombontsoa ambonin’ny firenena ho azo avy amin’izany. Tsy vitan’ny mibodo fotsiny ny fitondrana HVM fa sady mamotika fananan’olona koa, toy izay mihatra amin’ny fananan’ity filoha teo aloha ity etsy Ankorondrano ihany efa 4 andro izay. Mbola tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoha koa ve ny fanakatonana ny orinasan’ity filoha teo aloha ity any Andranomanelatra izay ivon’ny famatsiana ny vokatra Tiko rehetra manerana ny nosy ? Raha tsy hitanisa afa-tsy ireo, dia lasa tetikasa famotehana an-dRavalomanana ny tetikasan’ny filoham-pirenena.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT