Mahafinaritra ny nahita ny fiovana tampoka nihatra tamin’ireo zaridaina kaominaly sasantsasany nasiana fanatsarana tao anatin’ny fotoana fohy, toy ny eny amin’iny faritr’i Soanierana anelanelan’ny tranombarotra Descours sy ny toeram-pivarotana solika Galana iny.
Rehefa nozohina anefa ny zava-misy dia tsy ny kaominin’Antananarivo no niandraikitra ny fanatsarana fa ny minisitera M2PATE na ny minisiteran’ny fanajariana ny tany izay miandraikitra mivantana ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena malagasy ary dia misoratra mivandravandra eo amin’ny ilay zaridaina mihitsy ny anaran’ity minisitera ity. Raha tsorina dia tafiditra ao anaty tetikasan’ny filoham-pirenena koa izany ny fanamboarana zaridaina efa nisy talohan’ny lalana vao namboarina. Ny mampanontany tena ny mpanara-baovao dia ny hoe : tsy foin’ity minisitera ity homena ny CUA ve ny ampaham-bola hanatsarana ny tanàna amin’izao fandraisana ny fivorian’ny frankofonia izao ? Naleony niditra tamin’ny fifangalarana andraikitra noho ny resaka disadisam-politika mbola iniana volena eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpitantana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.