Politique

Tetikasan’ ny filoham-pirenena Andrasana fatratra mba tsy hampanofinofy fotsiny…


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Rehefa fanombohan’ ny taona toy izao dia samy maminavina ny hoaviny ny tsirairay. Mba ahoana ny hoavin’ ny firenena sy ny vahoaka amin’ ity taona 2020 ity ?

 

 

Tsy misy tompon’ ny ampitso moa saingy ny lasa no hitarafana izany. Ny nanamarika ny taona 2019 dia ny  fananganana fotodrafitrasa samihafa tamin’ny alalan’ ny fametrahana vato fototra sy fampiratiana makety indrindra ho an’ ireo tetikasan’ ny filoham-pirenena. Tanà-Masoandro, Rovan’ i Manjakamiadana, akademian’ ny kolontsaina, kianja filalaovam-baolina maro manara-penitra toy ny kianjaben’i Mahamasina izay nosalorana anarana hoe « Kianjan’ ny Barea », fanombohana ireo lalana samihafa toy ny RN 44, RN 13, RN5, fotodrafitrasa goavana any amin’ny faritra sy kaominina toa an’ ny « building » etsy Ivato. Azo antoka izany fa ity taona 2020 ity dia tokony efa misy zavatra mivaingana sy azo tsapain-tanana na dia maro manahy fa tsy ho tanterakany ankamaroan’ireo. Ohatra, ny tetikasan’ ny vadin’ ny filoha, Mialy Rajoelina, izay fananganana ozinina hamokarana « Ethanol ». Ny 8 martsa hatramin’ ny 8 desambra 2019 ny faharetan’ ny asa raha ny voarakitra teoamin’ ilay makety. Volana janoary 2020 isika izao dia tsy mbola nandrenesana ny fanokafana izany ozinina izany. Ka inona moa no idiran’ ny fiadiadin’ ny Repoblika amin’ ity tetikasa ity? Hita ao anatin’ ny pejy fesiboky sy ny tranokalan’ ny prezidansa anefa izany. Midika fa tetikasan’ ny Filoha ihany io. Miandrandra 20/20 amin’ ny sehatra rehetra ny vahoaka Malagasy na dia mihamaro ireo Malagasy no tsy mahatoky intsony fanatanterahana ireo fotodrafitrasa mampanofinofy. Ity taona 2020 ity mantsy ho an’ ny fitondrana dia mety taona hahazoana ny fahefana rehetra miaraka amin’ ny vola manokana natokana ho an’ ny tetikasany (fonds souverains) izay mitentina 200 miliara ariary.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT