Mafanafana ny toe-draharaha eny Ivato manodidina ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoha amin’ny hanamboarana
lalana migodana vita tara miainga eo Tsarasaotra, Boriborintany faha-3 Antananarivo, mipaka eny Ivato mamakivaky an’i Laniera.
Hisy fitakiana hataon’ireo horavana trano anio eny Ivato. Hiantso ny filoham-pirenena hijery ny zava-misy eny an-toerana izy ireo. Mbola manjavozavo rahateo na ilay soritra farany handalovan’ilay lalana, hany ka velon-tebiteby sy vaky loha ny olona.
Ny eo anivon’ny Kaominina moa rehefa anontaniana dia nanipika mazava fa “tsy tompon'antoka amin’ny tetikasan’ny filoha kanefa koa tsy misakana ny fanatanterahana izany fa mijanona ho mpanelanelana fotsiny”.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.