Miantso fifampidinihana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ireo vahoaka voakasik’ilay tetikasa Tana-masoandro ny solombavambahoaka voafidy eny Atsimondrano Atoa Alain
Ratsimbazafy mialoha ny hanatanterahana ny tetikasa. Aminy mantsy dia misy ihany ireo tsy fahatomombanana amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity toy ny fifampiresahana mivantana amin’ireo vahoaka eny ifotony, ny fanaovana fanadihadiana momba ny fananan’ilay olona voakasika, ny fiantraikan’izany amin’ny resaka tontolo iainana… Na ireo vahoaka teny ifotony toa an’Ankadimanga sy Ambohidrapeto ary Fiombonana eny Atsimondrano aza mantsy, hoy izy tsy nahalala akory fa hototofana ny taniny raha tsy tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitry ny APIPA. Mbola lesoka hafa ihany koa, hoy izy ny tsy fisian’ny peta-drindrina mampahafantatra ilay tetikasa ho hitam-poko, hitam-pirenena eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany. Nomarihin’ity solombavambahoaka ity fa misy ny tany malakaka azo hanatanterahana ity tetikasa tana-masoandro ity noho izany azo atao tsara ny mamindra izany amin’ny toeran-kafa hiarovana ny vahoaka amin’ireo tany efa nohajariany an-taonany maro sy ho fitandroana ireo karazana vakoka mampalaza an’i Madagasikara. Izany rahateo no fangatahan’ireo vahoaka eny Atsimondrano.
Pati
Legende : Alain Ratsimbazafy, solombavambahoaka voafidy teny amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.