Politique

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…


  • Zoma 15 Novambra 2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

 

 

eny Ambohitsorohitra, hifanatrika amin’ny farihin’Anosy. Ny filoham-pirenena no nametraka izany teny an-toerana niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy maromaro, toy ny minisitry ny kolontsaina. Ireo ho hita ao : ny efitrano lehibe fampirantiana, efitrano hanao teatra manaraka ny fenitra, ivontoeram-piofanana miisa 36 ahitana ny sary sokitra, hosodoko, efitrano fianarana mikabary,… Hampianarana sy hampiofanana momba ny zava-kanto raha haravona ny antom-pisiany. Fotodrafitrasa goavana kendrena ho vita ao anatin’ny herintaona izy io. Tany aloha raha niresaka fananganana fotodrafitrasa goavana, toy ny ivontoerana ho an’ny tanora, tranom-panjakana toy ny minisitera,… ny filoha Rajoelina, dia ny Tanà-masoandro hatrany no novoizina. Nambara mihitsy fa hafindra ny minisitera sy tranom-panjakana ho eny amin’ny Tanà-masoandro, saingy ity dia nisafidy ny mbola hanangana ato anatin’Antananarivo. Manomboka mihemotra amin’ny tanà-masoandro ve izany ny fanjakana matoa mbola ato anatiny no hanao zavatra goavana tahaka izany ? Akaiky ny fon’ny filoha ny kolontsaina, ka izay no nampanakaikezana ilay fotodrafitrasa amin’ny toeram-piasanay. Angaha tsy hafindra any amin’ny Tanà-masoandro ny Lapam-panjakana ? Maro rahateo ny olana mbola sedraina satria ny olona tompon’ny tany sy tanimbary hototofana tsy resy lahatra fa manohitra, ny vola hoenti-manana hanatanterahana ny tetikasa tsy mazava sy toa tsy misy akory, toa tsy misy fitsipi-dalao mazava ny fifanarahana mety hisy amin’ny vahiny, raha tena ny fanjakana no hanao an’io tokony ho hita taratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2020 ny fandaniana. Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana moa dia efa nilaza fa tsy manam-bola hanaovana an’io izany ny mpitondra. Raha namorona tanàna vaovao tahaka izao i Sénégal nanomboka ny 2016 dia tany amin’ny 30km miala an'i Dakar Renivohitra. Matoa hisisihana ny fanotorana dia mety efa misy mpitondra nandray vola tamin’ny vahiny tao, ka tsy afa-manoatra.

Toky R           

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT