Politique

Tetikasa Tanà-masoandro Ireo sefo fokontany no ampiasaina handresy lahatra ny vahoaka ?


  • Alatsinainy 11 Novambra 2019

Araka ny taratasy lah. 453/MAHTP/SG/DGSF/DDPF/SRD/CIRDOMA avy amin'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, tamin'ny 05 novambra 2019 lasa teo,

 

 

 

 

 dia hidina eny ifotony eny amin'ireo toerana hanaovana ny tetikasa Tanà-masoandro ny "commission administrative d'étape", izay misahana ny birao manokana eny Village Voara Andohatapenaka, ny 13 novambra izao. Samy nahazo io taratasy io na ireo ben'ny tanàna voakasika amin'io tetikasa io ary ireo sefom-pokontany. Izany hoe na dia mbola ao anatin'ny fifampiresahana tanteraka  aza ny fitondram-panjakana sy ireo mponina tompon-tany hirosoana ihany amin'ny atao hoe" 1ère phase- 1ère étape". Midika izany fa tsy miasa saina ny fanoherana ataon'ny vahoaka eny an-toerana ny fanjakana fa mikaroka ny hevitra tsy maintsy hampiroso ny asa. Raha ny loharanom-baovao voaray dia ny sefom-pokontany indray no hanaovana tsindry amin'izao. Terena hiditra ao anatin' ilay vaomiera ka entina ampiasaina handresy lahatra ny vahoaka, hoy ny loharanom-baovao iray.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT