Politique

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?


  • Zoma 20 Septambra 2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

 

 

hananganana fotodrafitrasa samihafa ireo mpandraharaha Sinoa mikambana ao amin'ny "Organisation Mondiale de l'Economie Solidaire et Sociale", niaraka tamin'ny solontena avy amin'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany. Nanambara ny fahavononany hiara-kiasa amin'ny fitondrana ankehitriny ireo delegasionina sinoa ireo. Marihina hatrany fa tany hatrany amin’ny 1000Ha no hasiana ny Tanà-Masoandro, izay ambara fa hitazona ny 42% amin’ny harin-karena faobe eto Madagasikara. Mandeha izany ny fitadiavana mpampiasa vola hanao ny asa satria tsy manana vola hanatanterahana izany ny fanjakana, fa tsy maintsy miaina ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na ny “3P”. Ny 26 jolay nandritra ny famelabelarana teny Ankatso dia nambara fa tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny 5 taona ny “Coeur du projet” ao anatin’ny 370 ha ahitana toerana hahafaha-mivezivezy, biraom-panjakana, ireo masoivoho… mitentina 2,575 miliara Ariary na 650 000 000Euros eo ho eo ny sandany. Nambara fa 25 ireo mpampiasa avy amina firenena samihafa hiditra an-tsehatra.  Inona no tambiny sy ny fifanarahana amin’ireo vahiny ? Haharitra firy taona ? Ny 3 novambra 2018 dia nilaza i Andry Rajoelina teny Antsonjobe, fa hivarotra tany hahafaha-manao zavatra. Ny 10 febroary 2009 tao anatin’ny fanonganam-panjakana anefa izy dia nilaza tao amin’ny Gazety Jeune Afrique, fa ny tetikasa fampanofana tany tamin’ny Daewoo saika hataon-dRavalomanana izay nisy fampiasam-bola 6 miliara dolara dia anisan’ny mampalahelo ny vahoaka. Manameloka ny fifanaovan-tsonia aho ary ny governemanta sy ny filoha indrindra indrindra. Araka ny fomban-drazana, voarara ny famarotana tany na fampanofana tany amin’ny vahiny, hoy izy. Inona anefa ny ataony amin’izao ? Ny vahoaka tompon’ny tany kosa tsy mandà ny hanaovana ny tetikasa, saingy tsy tokony ho ny tanimbary sy ny tanimboly fiveloman’izy ireo no hototofana, ary vao ny faran’ny herinandro teo no nanao hetsika ny teny Ambohitrimanjaka.  

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT