Politique

Tetikasa Tanà-Masoandro Andrasana ny fanoratana azy anaty tetibolam-panjakana


  • Talata 29 Oktobra 2019

Tsy misy izay tsy miresaka ny tetikasa Tanà-Masoandro ny rehetra ankehitriny. Tetikasa goavana izay heverin’ny mpitondra fanjakana fa hitondra fampandrosoana eto Madagasikara.

 

 

 

Mponina manodidina ny 350 000 no vinavinaina fa hiasa sy hiezivezy ao. Ny adihevitra amin’ny fanotorana tanimbary eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina moa izao no tena re matetika, saingy misy zavatra hafa ankoatra io tsy mazava mihitsy diany fananganana ny Tana Masoandro. Ahoana no fandraisan'anjaran'ny sehatra tsy miankina ? Ahoana ny an'ny mpamatsy vola sy mpiara miombon'antoka ? Raha ity tetikasa Tanà-Masoandro ity aloha dia tsy ho vita ao anaty fe-potoam-piasana iray, izany hoe dimy taona. Noho izany, dia ahoana moa raha miova ny filoha fa tsy Rajoelina.intsony aorian’ny fifidianana taona 2023 ? Ny tanimbary efa voatototra kanefa ny asa mety hiato. Efa nitranga izany tamin`ny tetikasa Pullman nandritra ny repoblika faharoa. NyTanà-Masoandro ve tetikasam-panjakana sa an'ny filoha Rajoelina manokana ? Raha an`ny fanjakana dia tokony hisoratra ao anatin`ny tetibolam-panjakana taona 2020. Marihana anefa fa misy mantsy ny fananganana “fondation” izay midika avy hatrany fa hisy famatsiam-bola hafa (financement parallèle). Izany anefa dia zavatra tsy mety amin`ny mpiara-miombon`antoka mihitsy. Sa kosa tena hamaky ady amin`ny tandrefana fa hiaraka amin'ny Rosianina sy ny Sinoa ? Vonona amin'izany ve anefa ny Malagasy ? Eny fa na dia ny resaka fomba fiteny fotsiny aza dia olana lehibe. Teny frantsay sy anglisy no hain’ny Malagasy, mbola ny ampahany fa tsy ny rehetra . Ireo no miasa amin’ny fanaovana antontan-taratasy  isan-karazany eto. Ny tena olana goavana amin`ity fitondrana ankehitriny dia ny tsy fahaizana mamaritra mazava ny antsoina hoe laharam-pahamehana sy ny fototra iaingana amin’ny tena fampandrosoana maharitra.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT