Nirehaka ny filohan’ny FAT omaly raha nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanajariana ny lemak’i Bevoay, any Morombe.
Tsara hofantarina anefa, hoy Rakotomanjato Rodin fa efa vita tamin’ny taona 2008 ny fiantsoana tolo-bidy ho an’io asa io ary asa tokony ho vita tamin’ny 2009 saingy noho ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina dia niato izany. Ny asan’ny filoha Marc Ravalomanana no ireharehan’i Andry Rajoelina, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity. Ezahina simbaina koa anefa ny tanàna, hoy izy satria jerem-potsiny ireo fanotofana tany tsy ara-dalàna amin’izao fotoana izao ary dia ny olona miezaka mampihatra ny lalàna indray no anaovana toeran-tsy zaka. Fiarovana an’Antananarivo amin’ny tondra-drano no antom-pisian’ny Marais Masay, hivarinan’ny rano rehetra, hoy izy kanefa amin’izao dia totofana, tsy araka ny fenitra akory. “Avoahy ny marina hoe iza ilay lazaina fa raimandreny arovana, manototra io tany io ?”, hoy ihany Rakotomanjato Rodin. Nambarany moa fa andro sisa isaina dia ho tody eto an-tanindarzana i Marc Ravalomanana. Tsy manaiky ary tsy ekena fa rehefa nosoniavina ny tondrozotra dia tanterahina, hoy izy. Nambarany moa fa dia hanao hetsika lehibe ao amin’ny Magro Behoririka ny Zanak’i Dada amin’ity anio ity.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.