Politique

Tetibolan’ny kaominina Antananarivo Nandeha ny politika avo lentan’ny fifidianana


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Lany teo anivon’ny filankevitra monisipaly omaly ny tetibolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

 

 

106 miliara ariary ny tetibola, ka 54 ariary no fampidiram-bola mivantana ary iandrasana mpamatsy na mpiara-miombon’antoka ny ambiny. Manodidina ny 20,6 miliara Ar ny tataon-ketra vinavinaina ampidirina. Tonga teo amin’ny fivoriana ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina namelabelatra ny votoatiny, ka nilazany fa miompana betsaka amin’ny sosialy ny fampiasana ilay 54 miliara ariary.  Tsy hividianana fiara raitra fa ireo fampitaovana tamin’ny ben’ny tanàna teo aloha aza homena ny “voarie”, hoy izy. Tsy manana fiara fitondrana marary na “ambulance” akory ny tanànan’Antananarivo. Ny ben’ny tanàna tsy hividy fiara. Tsy mila “motards”, ary ny “voiture ouvreuse” aza tsy ilaiko, fa alefaso any amin’ny polisy, hoy izy. Nambarany fa ny fiara hovidiana dia tsy hitondrana olona fa ho fitondrana razana, citerne, ambulance,… Ny “citerne” hahafahana maka rano eny Ikopa fa tsy ny ranon’ny JIRAMA efa tsy ampy no halaina hanadiovana ny tanàna. Nambarany fa hohatsaraina ny fahasalamana, toy ny BMH (Bureau Municipal d’Hygiène). 3600 ny mpiasan’ny kaominina, izay zara raha mahazo fanafody. Politika hapetraka ny fitsinjovana an’ireo. Ny BMH dia hitsinjovana ireo tena sahirana, zokiolona,…Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina ny tablety izay iray ho an’ny mpianatra telo; Efa nahita mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatsarana ny EPP eto an-drenivohitra fa tsy misy hidiran’ny tetibola, raha ny nambaran’ny ben’ny tanàna. Raha io no mampandroso, ka hahafahan’ny ben’ny tanàna hanatanteraka ny vinany, ka tsy isika no hisakana, hoy ny mpanolontsaina iray voalaza fa mpitondra tenin’ny TIM. 30/55 anefa no nifidy. 25 ny mpanolontsaina IRD, 25 ihany koa ny TIM, ary 3 ny Komba izay efa nilaza fa tsy hampandany ilay tetibola. 2 ny ambiny dia Rtoa Lalatiana Ravololonana sy Randrianatoandro  Tiana Laurence, ka raha nandany ny “Eny” ireo miampy ny IRD, dia 27 izay. Nisy TIM 3 izany farahafakeliny nifidy, ary tsia ny ambiny. Nisy IRD tsy nankasitraka ilay tetibola ihany koa anefa, izany hoe mety nihoatra ny 13 ny TIM nandany azy io. Nandeha izany ny politika avo lenta? Isan’ny nanakiana mafy ny resaka saran’ny fanibohana na “fourière” ho an’ny fiara izay lasa mandoa io 160.000 Ar io ianao, fa mbola mandoa saram-pitaterana ny fiaranao any amin’ny “fourrière”, izany hoe 200.000 Ar ary mbola mandoa volabe 150.000 Ar/Andro ho saran’ny fiandrasana ny fiaranao. 1.860.000 Ar ny vola tsy maintsy aloanao raha sanatria ianao miditra “fourrière” 10 andro, raha 160.000 Ar  teo aloha, araka ny fanazavany.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT