Ny tetiandrom-pifidianana tsy mety mivoaka, ny fe-potoana nomena nanamarinana ny anaran’ireo mpifidy tao anaty lisitra tery dia tery. Hatreto koa dia tsy fantatra mazava hoe ohatrinona marina ny tetibola efa eo am-pelatanan’ny vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana hiatrehana izany marina.
Efa tamin’ny jolay 2017 no fantatra fa 40 miliara ariary no natokan’ny fitondram-panjakana hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. Ampy io, hoy ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana, tamin’izay fotoana izay. Ilay antsoina hoe “Basket found” ao anatin’ny tetikasa Sacem kosa dia natao hiatrehana ny hatramin’ny herintaona, hoy ity filoha ity, omaly, nanazava tamin’ny antso an-tariby. Efa ny antsasak’io no eo an-tanana amin’izao fotoana izao raha mbola miandry ny tetibolam-panjakana kosa ny mikasika ny fanampian’ny fanjakana. Raha tsiahivina dia nampanantena 300.000 euros na 1 176 000 000 ariary ny frantsay raha 12 tapitrisa dolara na 38 340 000 000 ariary kosa ny PNUD. Tsy nilaza tarehimarika mazava kosa anefa ny filohan’ny CENI fa dia hoe efa tonga ny antsasany. Tsy ho ory ara-bola tahaka ny teo aloha intsony isika, hoy ny filohan’ny CENI, fa ny eo amin’ny fanatanterahana izao no mametraka olana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.