Roa andro monja no nandinihan’ny Kongresin’ny tetezamita ny volavolan-dalàna laharana faha-015/2011 tamin’ny 1 desambra 2011 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana amin’ny taona 2012 (alatsinainy 12 sy talata 13 desambra) dia ho lanian’ny fivoriana hitambaramben’ireo CT anio amin’ny alalan’ny tsangan-tanana indray izy io anio marainan’ny alarobia 14 desambra.
Azo ambara fa tandrametaka ny fandinihana ity volavolan-dalàna lehibe indrindra eo amin’ny fiainam-pirenena ity satria nambaran’ireo parlemantera efa namerina kilasy fa naharitra tapa-bolana ngarangidina izany tamin’ny andron-dry zareo teo aloha nefa dia izao natao roa andro izao monja noho ny hamehana sady izay indray mbola zazavao amin’ny asa avokoa ny androatokon’ireo hanangatanana handany azy. Omaly dia navadika ho “Séance plénière” ny fivoriana nandinihan’ireo CT ity volavolan-dalana ity niaraka tamin’ny ministry tetibolam-panjakana sy ireo teknisiana niaraka taminy.
Tena nisongadina indrindra ary nampitarazoka ny adihevitra natao omaly ho efa alinalina ihany ny amin’ny fihenan’ny teti-bolan’ny Kongresin’ny tetezamita nefa ny mpikambana nitombo avo roa heny be izao. Nafana dia nafana heno tety ivelany mihitsy ny ady varotra ny amin’izany. Raha fintinina ny tatitra azo dia vinavinaina ho 2 678,5 miliara ariary ny vola miditra amin’ny taona 2012 (-7,3% raha mitaha amin’ny taona 2011) satria mbola tsy miarin-doha tanteraka ny firenena ary ny mpamatsy vola mbola tsy tonga. Heverina ho 2 822,9 miliara ariary koa ny vola mivoaka (-13,9%) ary ny fatiantoky ny fanjakana dia noferana araka izay enti-manana (-44n6%) raha oharina amin’ny taona 2011. Mbola mipetraka amin’ny tetibola taona 2012 ny fitsitsiana hoy ny tatitra azo.
Nangonin’i Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.