Hitondra antsika mankaiza tokoa ny tetibolam-panjakana 2020? Miisa 5,5% ny tahan’ ny harinkarena faobe ekonomika raha 4,7% ny antontan-isa nandrandraina ho amin’ ity taona 2019.
Nahitàna fitomboana izany saingy tsy ampy raha tiana hahomby ny « émergence » izay mila tahan’ ny harinkarena farafahakeliny 6%. Ireo sehatra andrasana hampiakatra betsaka ny famokaran-karena dia ny fambolena (+5,6%), indostria (+7,4%) ary ny asa vaventy (+11%). Manodidina ny 6% kosa ny « niveau d’inflation » raha toa ka 4% monja ny fidinan’ ny sandam-bola andrasana. Eo amin’ ny sehatry ny tsena ivelany dia hisy fampitomboana 15% eo amin’ ny fampidirana entana, izay hotohanan’ ny famatsiam-bolam-panjakana, raha toa kosa ka 7% ny fanondranana entana izay mety hiteraka « déficit commercial » hatramin’ ny -602 tapitrisa DTS raha toa ka -457 tapitrisa DTS tamin’ ny taona 2019. Ny tetibola amin’ ny ankapobeany dia mitentina 10 270 miliara ariary, izay mitovy tamin’ny tetibola 2019 ihany. Raha izany, dia latsaky ny 25% ny tahan’ ny harinkarena faobe (PIB). Ny fandaniana natokana ho an’ ny asam-panjakana dia 5 048 miliara ariary, izany hoe 12%n’ ny PIB. Mipetraka ny fanontaniana : Inona avy ireo fitaovana ho ampiasain’ ny fanjakana mba hahafana misarika ireo mpamatsy vola ? Farafahakeliny, mihoatra ny 13% ny PIB, izany hoe 5 500 miliara ariary. Hatreto tena mifamahofaho tanteraka izany ary moana ny LFI 2020. Mahakasika ny famatsiam-bola ho an’ ny sehatry ny tsy miankina, dia hisy fametrahana faritra manokana ho amin’ ny fampiasam-bola saingy toa tsy voafaritra ny toerana na koa ny isany ary ireo petra-bola ho an’ ireo « start-ups ». Voalaza kosa fa hisy fametrahana orinasa vahiny eo amin’ ny sehatra ara-tsakafo, simenitra ary angovo. Kanefa, misy ireo fepetra fampihenan-ketra ho an’ amin’ ny fampidirana fitaovana ho an’ ny indostria ara-tsakafo ; etsy ankilany, mihatra ho an’ ireo orinasa misehatra amin’ ny fahasalamana sy fanabeazana izany. Araka izany, mbola sarotra no hamaritana fa ity LFI 2020 ity dia anisan’ ireo fitaovana hametrahana ny « Initiative Emergence Madagascar ». Tsy mifandraika amin’ ny paikady nahafahan’ ireo firenena asiatika izay nametraka ny fahombiazany ara-toekarena teo amin’ ny fampiroboroboana ny famatsiam-bola tsy miankina vahiny sy teo amin’ ny fanondranana entana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.