Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.
Tsara raha ny kaominina mivantana no mitantana izany, hoy Andriamanjato Liantsoa Bina, depioten’ny distrika ao Andramasina sady filoham-baomiera misahana ny fampitaovana sy fotodrafitrasa. Manamfy ny fahaizana manao eny ifotony izany sady mangarahara satria miainga eny ifotony ny filàna rehetra fa tsy avy aty amin’ny fanjakana foibe no mampiditra ny tetikasa mankany ifotony. Mila fahaleovantena ara-bola ny kaominina, hoy izy. Notsindriny koa fa ny tohana avy amin’ny fanjakana (subvention) dia tara lava, hany ka lasa sahirana ny kaominina. Rehefa anjara vola ho an’ny kaominina dia avy hatrany dia mivantana any, amin’izay tsy misy mpanelanelana. Tokony hampiana ny CLD ary atao arakaraka ny isan’ny kaominina no hitsinjarana azy io fa tsy atao safo be mantsina, hoy izy, ary efa nanomana tolo-dalàna momba izany. Amin’izay na ny fampitaovana na koa ny fotodrafitrasa dia mandeha araka tokony ho izy, hoy hatrany ny fanazavana. Nomarihany manokana fa ao anatin’ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tetibola 2020, ka tokony hasondrotra ny vola ho an’ny CLD. Mahakasika ny CLD manokana dia olana mateti-pitranga ny fahataran’ ny famoahana ny vola. Ela ny fametrahana ny dingana rehetra tamin’ny CLD, tratra aoriana ny fametrahana ny rafitry ny CLD, izay entin’ny depiote. Eo koa ny fahasarotana tamin’ny fametrahana ny lamina sy ny fombafomba amin’ny fahazoana sy fampiasana ny vola.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.