Miankina loatra amin’ny fanampiana avy any ivelany isika ary tsy ampy ny resaka sosialy ao anatin’ilay tetibolam-panjakana,
hoy ny CCOC na ny sampandraharaha tsy miankina misahana ny fampidirana ny vahoaka ao anatin’ny fanatanterahana ny fampiasana ny tetibolam-panjakana. Raha misy fandavan-tena ara-politika hanatsara ny volan-ketra miditra sy ny loharanom-bola hafa tsy avy amin’ny hetra anefa ny fitondram-panjakana, hoy ny tompon’andraikitra, dia miakatra 15% farafahakeliny io 11% miompana amin’ny resaka sosialy io. Tsy tara ny tolo-kevitra satria na dia lany teo anivon’ny fahefana mpanao lalàna aza dia mbola manantena adihevitra lalina izahay eny amin’ny fahefana mpanatanteraka.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.