Politique

Tetiandrom-pifidianana Teren-ko masaka


  • Alarobia 18 Jolay 2012

Mifaninana ny SADC sy ny CENIT. Raha nanome fe-potoana hatramin’ny 31 jolay 2012 hahavitan’ny fihaonana eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina sy ny mba hahitan’ny roa tonta marimaritra iraisana ny SADC dia mba nilaza koa ny CENIT omaly fa hamoaka tetiandrom-pifidianana amin’ny 01 aogositra 2012.

 Mazava ny resaka manomboka eto fa te hametraka ny CENIT fa tsy hanova ary tsy hisy fiantraikany amin’ny fandrafetan’izy ireo tetiandrom-pifidianana izay vokatry ny fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina. 

Ny karazam-pifidianana hatao sy ny datinandro hanatanterahana azy no hambara amin’io 01 agositra 2012 io, raha ny fanazavan’i Atallah Béatrice, filohan’ny CENIT, omaly. Nampahatsiahy izy fa araka ny andininy faha-10, andalana G ao amin’ny tondrozotra, dia iarahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENIT amin’ireo manampahaizana manokan’ny Firenena Mikambana mamaritra ny tetiandrom-pifidianana, izany hoe ny karazana fifidianana hatao sy ny daty hanaovana azy.
Jeritodika
 
Mandrapahatonga io datin’ny 01 aogositra io dia hanao jeritodika mikasika ny dingana vita sy ny tsy tanteraka, na ny fahadisoam-potoana tamin’ny fanatanterahana azy, miaraka amin’ny solontena maharitry ny Firenena Mikambana (PNUD), ny SADC, Vondron’ny tany mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay (OIF), Vondrona Afrikanina (UA) ary ny Vondrona Eoropeanina (UE), araka ny nambarany tamin’ny 29 mey 2012 ny CENIT amin’ny 23 jolay izao. Roa andro aorian’io, ny 25 jolay 2012, dia hisy indray ny famoriana ireo mpitarika antoko na vondrona nanao sonia na fanohanana ny tondrozotra, hampahafantarana azy ireo ny vokatry ny jeritodika natao io. Hanao “conclave” na fivoriana mihiboka andiany faharoa ny CENIT miaraka amin’ny PNUD ny 26 sy 27 jolay 2012, handinihana tetiandro raikitra, ary dia ny 01 aogositra 2012 no hambara ho fanta-bahoaka miaraka amin’ny manampahaizana manokan’ny Firenena Mikambana ny tetiandrom-pifidianana raikitra miaraka amin’ny fifidianana hatao sy daty hanaovana azy. Ny CENIT ihany anefa no miaky fa misy fahatarana ny asan’izy ireo. Ho teren-ko masaka araka izany ny tetiandro hivoaka eo. Araka ny voatondron’ny fehezan-dalànan’ny fifidianana, ao amin’ny andininy faha-36 moa dia milatsaka eo anelanelan’ny 30 aprily sy 30 novambra 2013, izany hoe vanim-potoan’ny maintany, io fifidianana io. 
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT