Nivoaka omaly ny tetiandrom-pifidianana, araka ny tenin’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana na ny CENI-T.
Amin’ny 8 mey 2013 ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy niandry ela ireo mpiaradia ao amin’ny ankolafy Ravalomanana fa avy hatrany dia namaly teny an-kianja, omaly ihany. Niray feo ireo rehetra nandaha-teny fa tsy azo ekena izany fifidianana izany, raha tsy tafaverina sy afaka mirotsaka ny filoha Marc Ravalomanana. “Tsy hisy fifidianana handeha eto raha tsy tonga Ravalomanana, torak’izay koa ny fankatoavana iraisam-pirenena sy ny fanampiana ara-bola avy any ivelany”, hoy Ralainirina Marcel, mpikambana eo anivon’ny Kongresy (CT) avy any Manakara. “Tsy ekena ary tsy laharam-pahamehana izany datim-pifidianana izany kanefa ny dinika eo amin’i Andry Rajoelina sy Ravalomanana tsy mbola vita akory ary ny sori-dalana tsy nampiharina”, hoy kosa ny CT Rakotomandimbindraibe Mamisoa. Ho an’ny CT Ralaiseheno Guy Maxime dia tokony homena lanja sy hasina ny vahoaka amin’ny fiverenana amin’ny ara-dalàna.
“Raha hanao fifidianana kanefa tsy araka ny tokony ho izy dia tsy mety”, hoy izy. “Tsy handray anjara amin’izany fifidianana izany raha tsy mody sy milatsaka ny filoha Ravalomanana. Tokana ny kandida dia Ravalomanana Marc”, hoy ihany i Guy Maxime Ralaiseheno nanamafy. Momba ny zava-misy eto amin’ny firenena indray dia nambarany fa tsy voafehin’i Andry Rajoelina ny raharaha matoa misy ireo hetsika marolafy toy ny an’ny mpianatra eny Ankatso, ny mpampianatra, ny dokotera, ny mpitsabo mpanampy ny maro hafa. Ireny rehetra ireny, hoy izy dia midika fa mitambesatra ny krizy. Raha firenena manaja izany soatoavina repoblikana izany, hoy izy dia tokony ho efa nametra-pialana na i Andry Rajoelina na Omer Beriziky.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.