Politique

Tetezamita Tsy manaraka lôjika


  • Alakamisy 10 Mey 2012

Ireo izay mandinika tsara ny fanapahan-kevitra na ny fanambarana ataon’ny fitondrana tetezamita dia mahatsikaraitra fa maro be ny zavatra tsy manaraka ny lôjika mihitsy ary indraindray aza misy fanapahan-kevitra roa mifanohitra raisin’ny fitondram-panjakana.

 Tsy mba misy fifampitam-baovao mihitsy ve eo amin’ireo ministera na sampandraharaham-panjakana, sa misy tsotra izao ny mifanipy hoditr’akondro sa dia tena ao anatin’ny fahamaikana foana no andraisana fanapahan-kevitra ka izay fidonany any fotsiny, sa ve sanatria tena tsy fahaiza-miasa mihitsy ilay izy ? Farany teo izao dia nosamborina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato indray ilay teratany Amerikanina, John Ferry. Namana akaikin’i Tojo Ravalomanana izy io, ary nambaran’ny mpitandro ny filaminana Malagasy fa hoe mersenera na mpikarama an’ady. Hentitra dia hentitra mihitsy ny fanazavan’ny manampahefana tamin’izany fa mersenera i John Ferry ka dia nokarohana sy nosamborina.

Natao fanadihadiana ary avy eo nalefa niverina tany Afrika Atsimo. Raha ny fahafantarana ny mersenera na mpikarama an’ady dia manana anton-dia mazava, ka na io hanakorontana, na hanongam-panjakana, na hamono ho faty olona ambony na mpandraharaha manana ny maha izy azy. Izay no asany ary izay no hanakaramana azy. Moa ve raha nanadihady an’i John Ferry tamin’ny herintaona ny mpitandro ny filaminana dia nahavita nanaporofo fa hanao ny iray tamin’ireo iraka voatonona tetsy ambony ireo izy ? Raha eny nahoana no tsy nosamborina dia notsaraina dia nogadraina tahaka ny mitranga any amin’ny firenena rehetra ? Raha tsia, nahoana no mbola nanaovana fanadihadiana indray izy rehefa tonga teto dia navela niditra malalaka, dia asa ho samborina indray rehefa hiverina any Afrika Atsimo ? Tahaka izany koa ny raharaha Tojo Ravalomanana, nambara fa nahitana rongony tao Manjakatompo Antsirabe, trano fonenan’ity zanaky ny filoha teo aloha ity. Tsy hita akory anefa izay tohin’ilay raharaha.

Dia inona izany no antony nisavana ilay trano ? Mbola ao anatin’ny fanapahan-kevitra tsy manaraka lôjika koa ny fanomezana alalana ny fanondranana volamena, andro visivitsy aorian’izay dia mivoaka indray ny didim-panjakana mandrara ny fanondranana volamena. Efa miredareda be ny fitakian’ny SEMPAMA vao may volon-tratra miezaka mamono afo, vao nanomboka anefa ilay izy nodiana tsy hita. Midehaka manamboatra sy mitokana lalana, ny olan’ny mpitatitra amin’ny resaka solika anefa tsy mety voavaha. Amboarina ny hopitaly manara-penitra, ny vidin’ny fanafody anefa lafo dia lafo, ireo CSB koa mikatona tsikelikely. Be loatra ireo fanapahan-kevitra tsy manaraka ny lôjika raisin’ny fitondrana tetezamita ka tsy mahagaga raha miha mafy ny krizy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT