Politique

Tetezamita tena izy Mbola ho sarotra ny fizarana seza


  • Alarobia 21 Septambra 2011

Mbola miandry ny fivorian’ny Troika ny fampiharana ny sori-dalana. Mety ho amin’ity herinandro ity ihany io fivoriana io.

 Etsy ankilan’izay anefa dia efa dodona ihany ireo mpanao politika ka maro no milaza fa rehefa vita ny sonia dia atsangana avy hatrany ireo andrim-panjakana fa tsy mila miandry ny SADC izany intsony. Ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina moa dia manamafy fa fanitarana ny efa misy no atao fa tsy fananganana andrim-panjakana vaovao izany, ny mpanohitra anefa manitrikitrika fa averina arafitra mihitsy ny CT, ny CST ary ny CENI. Manoloana izany dia voasoratra ao amin’ilay sori-dalana fa raha misy ny fandikana vilana na tsy mitovy ny sori-dalana dia entina manoloana ny SADC izany ka izy no manelanelana sy mandamina ny disadisa. Midika izany fa tsy ho mora io resaka fizarana ny seza ao anatin’ny tetezamita tena izy io.

Ny ao amin’ny governemanta no eritreretin’ny mpanara-baovao politika fa tena ho ady saritaka, satria raha atao zaramira ny toerana dia ho maromaro ihany ireo minisitra tsy maintsy hoesorina. Mibaribary mantsy fa olon’ny filohan’ny tetezamita avokoa ireo mitana ny ministeran’ny fiandrianam-pirenena toy ny raharaham-bahiny, ny vola, ny fitsarana, ny filaminana anatiny, ny angovo, ny fanapariaham-pahefana ary ny fiarovam-pirenena, izany hoe manana tombony goavana amin’ireo ankolafy hafa ny ankolafy Rajoelina. Tsy tena tanteraka, araka izany, ny fiaraha-mitantana ary azo antoka fa tsy hanaiky lembenana ny ankolafy sasany. Hoy indrindra ny mpanara-baovao politika iray hoe : «tsy sanatria fanambaniana ny departemanta sasany fa mba tsy mety kosa raha any amin’ny ministeran’ny fiompiana na ny jono, na ny fizahantany na ny rano no ministera hametrahana ireo ankolafy hafa».

Raha toa ka tsy hozaraina amin’ny ankolafy ireo departemanta saropady ireo dia mitombina ny hevitry ny sendikan’ny mpitsara hoe ireo voakasika mivantana no tokony hanolotra ny anaran’ireo izay hitantana azy. Ny sendikan’ny mpitsara, ohatra, no hanolotra ny anaran’ireo izay hotendrena ho minisitry ny fitsarana. Azo eritreretina koa hoe ny ny sendikan’ny administratera sivily no hanolotra anarana ho an’izay hotendrena ho minisitry ny atitany. Hanao tahaka izany koa ireo manamboninahitra zandary sy miaramila ka hanolotra anarana maromaro amin’izay eritreretin’izy ireo fa mendrika ny ho minisitry ny fiarovam-pirenena. Dia azo ampiharina any amin’ny raharaham-bahiny koa izany, ho an’ireo diplaomaty. Raha ny fahitana azy dia ho sarotra ihany ny ahitana ny marimaritra iraisana eo amin’ireo ankolafy politika amin’ny fanendrena olona hitantana ireo ministera goavana sy iankinan’ny fiandrianam-pirenena ireo. Azo eritreretina koa ireo vondrona politika milaza azy fa tsy momba ny atsy na ny aroa na vondron’ny elanelam-panahy no hitantana ireo ministera ireo. Ny fanontaniana goavana dia ny hoe : ho sahy hanilika ireo olony niara-nitolona taminy teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tahaka ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine sy Hajo Andrianainarivelo ve ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT