Politique

Tetezamita sy ny forongony 7 taona nanapotehana firenena


  • Alakamisy 17 Martsa 2016

Fito taona lasa izay ny 17 martsa 2009 no ofisialy ny fanonganam-panjakana taorian’ny savorovoro teny

 

 amin’ny episcopat Antanimena ka nanerena ireo manamboninahitra jeneraly hamindra ny fahefana any amin’i Andry Rajoelina.Fito taona ny lasa, niha nahantra sy niha potika ny firenena, niha botrabotra sy lasa mpanefoaefo anefa ny mpanongam-panjakana.Andry Rajoelina no nitantana mivantana ny raharaha sy ny biznesy rehetra nandritra iny fitondrana HAT (2009-2014) iny. Anisan’ireo miliardera mpanam-bola indrindra ity filohan’ny Tetezamita ity taorian’ny nialàny teo amin’ny fitondrana. Eo koa anefa ireo mpandraharaha mpiray antoka taminy raha tsy hiresaka afa-tsy ny filoha mpanorina ny Groupe SODIAT, Mamy Ravatomanga, izay tena lasa mpanefoefo fatratra tokoa taorian’ny fitondrana Tetezamita. Porofon’izany ny nananganany ilay toerana fanaovana Golf raitra antsoina hoe Azura any Foulpointe izay mitentina am-polony miliara maro. Fa lasa mpanapitrisa koa i Haja Resampa (Sekretera jeneralin’ny Fiadidiana ny filoha nandritra ny Tetezamita), Augustin Andriamananoro, Anthelme Ramparany, Patrick Leloup, Mamy Ratovomalala, Camille Vital, Hajo Andrianainarivelo ... Fa maro koa anefa ireo mpitandro ny filaminana manamboninahitra jeneraly lasa miliardera nandritra iny fitondrana Andry Rajoelina iny.

Nanamarika iny fitondrana Tetezamita iny ny trafika tamin’ny endriny maro tamin’ireo harem-pirenena toy ny andramena, volamena sy vatosoa. Toraka izany koa anefa ireo vola be azo tamin’ny alalan’ny famarotana ny harena ankibon’ny tany toy ny volan’ny Wisco. Mbola teo koa ny vola vidin’ny fiaramanidina Air Force One, ny vola be ana miliara tokony ho niatrehana ny Fivoriana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina.  Vola an’arivony miliara maro no nokirakirain’ny fitondrana Tetezamita. Mody nasiana ireny Vary Mora sy Tsena Mora ireny namitahana ny masom-bahoaka.

Manana trano be sy tranombarotra goavana any ivelany any avokoa ny ankamaroan’ireo mpitondra Tetezamita ankehitriny dia i Maorisy, Dubaï, Frantsa ... Fahalovana sy fahantrana ary fahapotehan’ny toekarena sy ny fiainam-piarahamonina no hany navelan’izy ireo ho an’ny vahoaka Malagasy. Manina ny tongolon’i Ejipta mihitsy izy ireo ankehitriny ka mitady izay fomba hiverenana eo amin’ny fitondrana hampitomboana ny miliara efa eo am-pelatanana.Ary ny tena raharaha dia mbola misy ankehitriny olon’ny tetezamita, anisan’ny nanongam-panjakana mbola tafiditra ao anaty fanjakana ary manohy ny fanapotehana hatrany ny firenena, fito taona aty aoriana.

RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT