Mavesatra ho an'ny fitondrana tetezamita ary manaratsy endrika azy ny fisian'ireo fitokonana isan-karazany amin'izao fotoana.
Ny an'ny mpitatitra sy ny mpampianatra amin'ny ambaratonga fototra sy faharoa moa izao no tena mahakasika mivantana ny saim-bahoaka. Tato anatin'ny iray volana dia maro ireo sekolim-panjakana manerana an'i Madagasikara no nampiato ny fampianarana. Tsy ny mpampianatra rehetra no mitokona, saingy hita kosa fa efa tena miha maro an'isa izy ireo, azo hanaporofoana izany ny nikatonan'ny lisea telo lehibe teto Antananarivo Renivohitra tamin'iny herinandro lasa iny. Nisy tranga tahaka izany koa tany amin’ireo tanàn-dehibe hafa toa an’Ambositra sy Antsirabe. Milaza fa tsy mahatapa-kevitra irery ny amin'ny fitakian'ireo mpampianatra mivondrona ao amin'ny SEMPAMA ny minisitry ny fanabeazam-pirenena fa dia nanipy ny baolina any amin'ny minisitry ny vola sy ny praiminisitra.
Tezitra mafy manoloana ity raharaha ity i Andry Rajoelina ary niampanga mpanao politika sy olona ao anatin'ny fitondrana, ho mampirisika ireo mpampianatra hitokona. Hihamafy ny fitakian'ny SEMPAMA, araka ny angom-baovao natao, raha toa ka tsy mbola misy ihany ny vahaolana amin'ity herinandro ity. Etsy ankilan'izay dia tahaka ny milaza loza ireo mpitatitra raha nilaza fa tokony ho 700 Ariary (hono) ny saran-dalana eto an-drenivohitra amin'ny taksibe, raha ny tena izy. Don-tandroka miantefa amin'ny fanjakana no fahitana azy io, ny amin'ny hamerenana ilay tohana ara-bola (subvention) na fandrosoana fepetra hafa hanampiana ny mpitatitra. Andrasana anio alatsinainy na rahampitso talata ny dinika eo amin'ny UCTU sy ny ministeran'ny fitaterana.
Raha sanatria moa ka tsy misy izany dia hitokona ny mpitatitra eto an-drenivohitra amin'ny alarobia 25 aprily izao. Tsy manenjika bitro roa fotsiny ny fitondrana tetezamita ankehitriny amin'ny famahana olana, fa dia efa ho bitro iray vala mihitsy. Ny antony dia satria tsy noraharahaina ireo fitakiana sy fimenomenonana ireo vantany vao nipoitra fa dia navela hahazo faka sy hahatarika olona maro, vao nikorapaka, dia politikan'ny mamono afo no hany sisa azo atao. Tena manjavozavo amin'ny olon-tsotra ny laharampahamehan'i Andry Rajoelina, fa aminy dia toa mamy ny atsy, fy ny aroa. Notambatambazana tamin'ny tsena mora indray miserana ny vahoaka sahirana, aorina etsy sy eroa ny kianja sy hopitaly manarapenitra, vidiana ny fiaramanidina Airbus roa be izao, kanefa atao ihany ny fanomezan-toky ny hijerena ny fahasahiranam-bahoaka ka atao izao karazana fihetsiketsehana rehetra izao. Rehefa misy tsy mety avy eo, vao mitady olon-kafa hokianina sy omen-tsiny. Roa taona lasa izay, isaky ny misy korontana, savorovoro, baomba tsy mipoaka, na fivoriana mpanao politika na miaramila, dia nolazain'ny FAT fa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no ao ambadik'ireny. Ankehitriny indray dia ny praiminisitra Omer Beriziky no fositra (?), ny olon'ny ankolafy Zafy no lazaina fa tsy mahavita azy. Fa anjely daholo izany ny mpanao politika sy mpitondra fanjakana avy amin'ny ankolafy Rajoelina ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.