Tapitra ny fe-potoana nomen’ny Troika, hoy ny FRDL (Front Républicain Démocrate Légaliste) tarihin’i Ambroise Ravonison.
Noho izany dia tokony hiala amin’izay i Andry Rajoelina sy ny FAT, hoy ihany ity vondrona legalista iray ity. Tsy hanova na inona na inona amin’ny fe-potoana efa napetraky ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fizirizirian’ireo antoko sy mpanao politika sasany hanavakavaka mpanao politika mitovy aminy, araka ny fanazavana. Tsy ho ela manko dia hifarana izany fe-potoana nomena antsika izany, hoy ihany ny FRDL izay manohana feno ny antso nataon’ny profesora Zafy Albert noho ireto antony telo ireto, dia ny fahitany fa tsy mendrika hitondra ny tetezamita intsony i Andry Rajoelina, ny tokony hametrahana ny tetezamita iraisana sy tenierana, handraisan’ny rehetra anjara ka atokisan’ny besinimaro amin’ny fikarakarana ireo fifidianana ho avy ary ny fiverenan’ireo sesitany rehetra noho ny antony politika ka ao anatin’izany i Marc Ravalomanana. Ankoatra izay dia miantso ireo maro an’isa mangina sy ireo olom-pirenena rehetra i Ambroise Ravonison, ny FRDL ary ny Gas-LNRD mba hanohana ny antso ho an’ny fahatsiarovan-tena hiarovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy ka hanohana ny fangataham-pametraham-pialan’i Andry Rajoelina sy ny FAT.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.