Politique

Tetezamita iraisana Tsy te hanan-dratsy ny HAFARI


  • Alakamisy 01 Desambra 2011


 Tsy te hanan-dratsy izahay ato amin’ny firohotana HAFARI (Hery sy Andry Fiarovana eto Antananarivo-Renivohitra Iombonana) amin’izao governemantan’ny marimaritra iraisana na fampiraisam-pirenena izao, hoy ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina, ka tsy sasatra ny manafatrafatra ireo manampahefana fa misy vahoaka tsy maintsy harovan’izy ireo ary mampahafantatra ny vahoaka ihany koa fa misy manampahefana tsy maintsy miaro azy. Tsy ekenay intsony, hoy ny HAFARI, ny fitaomana vahoaka hidina an-dalambe hatao sorona fa aoka hifampiresaka ambony latabatra ny mpanao politika ary tsy tokony hakorontana ny saim-bahoaka fa tena efa simba ny sosialiny. Manamafy koa ry zareo fa io fijerena ny sosialim-bahoaka miainga ifotony io ihany no vahaolana mahomby indrindra ahafahana mamaha ny krizy rehetra misy ary afahana miroso amin’ny fampandrosoana ao anatin’ny fanomezana hasina ny Fokontany.

Izahay, hoy izy ireo, dia mijoro hatrany amin’ny tarigetranay dia ny tsy fandeferana fa mijoro lalandava manoloana ny herisetra sy fanamparam-pahefana sy tsindry hazo lena mahazo ny vahoaka. Ka tsy eken’ny HAFARI Malagasy raha tsy mahazo fahafaham-po ny olona mitaraina ao aminy. Raha sanatria diso kosa anefa izy dia ampafantarina azy mazava izany hadisoany izany. Nambaran’Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina fa fitiavana no mibaiko an-dry zareo ka na tsy manana mpamatsy vola aza izy ireo hatreto fa miainga amin’ny herin’ny tenany sy fanampiana samihafa entin’ny ministeran’ny mponina dia mahatsapa fa mahita fahombiazana eo amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka ka mbola mamerina tsy tapaka ny fisaorana ny praiminisitra Omer Beriziky sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina tamin’ny fanendrena ny minisitra Olga Ramaroson hanohy ny asa nataon’ny zanany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT