Raha mikatso ny fampiharana ny tondrozotra, marisarisa ny fiaraha-mitantana ny tetezamita aty amin’ny foibe dia mbola fitantanana taritokana, mandeha ila, ny eny anivon’ny Faritra.
Tsy ahitana taratra izany fiaraha-mitantana izany eny anivon’ireo Faritra 22 eto Madagasikara. Mbola ireo lehiben’ny Faritra notendren’ny Fahefana avon’ny tetezamita, in-telo miantoana, tamin’ny volana mey 2009 no am-perinasa mandrak’ity ny androany. Tsy misy mpiresaka izy io, na dia betsaka aza ny fitarainana sy fanakianana re avy eny anivon’ny Faritra eny. Nisy ihany fitakiana toy ny hoe tokony hosoloina administratera sivily ny Lehiben’ny Faritra, nisy koa ny hoe tokony ho miaramila ny Lehiben’ny Faritra mba handray an-tanana ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana, fa tsy vitsy ireo mihevitra fa tokony ho taratry ny tondrozotra ny olona tendrena eny anivon’ny Faritra. Hatreto anefa dia mijanona ho fanehoan-kevitra avokoa ireny, satria tsy dia misy mpiraika na dia misoko miadana aza ny fanomanana ny fifidianana, taorian’ny fananganana ireo rantsamangaikan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita eny anivon’ny Faritra sy ny Distrika.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.